Mofon’aina – ALATSINAINY 20 NOVAMBRA 2017

11 Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,12 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao,13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.15 Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
TITOSY 2 :11-15

Avoitran’ny Apostoly Paoly amin’ity Epistily  ity   ny  momba ny fahasoavan’ Andriamanitra .

1-Handavana  ny ratsy rehetra (and 11-12)

Famonjena  ny  olona rehetra  ny  fahasoavan’ Andriamanitra. Koa aharihary  eto ny  tokony  hatao  ka holavina , toy ny toe-panahy  tsy araka  an’ Andriamanitra  sy ny filan’izao  tontolo izao . Mazava  kosa anefa  ny tokony  hatao, ka harahina dia ny fivelomana  araka ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra. Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy hamonjy  sy hanadio  ny mpanota no tena fahasovana lehibe indrindra.

2-Hiandrasana  ny  Voninahitr’ Andtiamanitra 

Tokana  ato  amin’ny Testamenta vaovao  sy amin’ny Baiboly  manontolo  mihitsy  ny filazana  fa Andriamanitra  lehibe i Jesoa Kristy. Koa  ho fitsenana izany voninahitra lehibe loatra izany  no  antony  namonjena  antsika, ka nandrotsahany ny fahasoavany  amintsika. Ny  mpino  no hitsena azy, ka ho  lavorary  ilay vavaka fanaontsika hoe: « ho tonga anie  ny fanjakanao ».

3-Mariky ny fanolorantenan’i Kristy (and 14)

Lafiny roa mazava  tsara  ny fanolorantenan’i Kristy  dia ny fanavotana sy ny fanadiovana. Ny manana  antoka ihany no mahazo ireo fahafahana  ireo. Koa ny Ran’i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana  irery ihany no antoka  lehibe indrindra mahafapo   ny fitsaran’ Andriamanitra  (Ampitahao Mar 10 :45). Raha izany  , isika  koa andeha  « mba  atolotrareo  ny tenanareo  ho fanatitra velona , masina , sitrak’ Andriamanitra »( Rom 12 :1a)

Fanontaniana:

Ahoana ny hevitrao  , fahasoavana ve ny fahazoana harena ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !