Mofon’aina – Alatsinainy 21 novambra 2016

1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao Sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao.2 Raha mita ny rano hianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo hianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.4 Satria malala eo imasoko hianao, eny, be voninahitra hianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon’ ny ainao.5 Aza matahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;6 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,7 Dia izay rehetra antsoina amin’ ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
ISAIA 43 :1-7

ILAY ANDRIAMANITRA MPAMONJY SY MPANAVOTRA

Babo any Babylona ny zanak’ Israely. Mihevitra izy ireo fa hadinon’ Andriamanitra . Asehon’ Andriamanitra eto àry fa :

1-Tsy miova amin’ny fitiavany Izy

Efa nasehon’ Andriamanitra ny fitiavany. Izy no mpamorona sy mpahary. Koa raha nampahorian’ny Egyptiana ny Israely dia efa niasa nanafaka sy nanavotra Izy tamin’ny alalan’i Mosesy. Fantatr’ Andriamanitra ny olony tsirairay , nantsoiny sy noraisiny ho azy , ka na toy inona na toy inona toe-javatra mbola hatrehina dia eo mandrakariva Izy miasa amin’izany maha- fitiavana Azy izany . Taomina àry eto ny olona tsy hatahotra , tsy hanary toky , fa tsy manary ny olony Andriamanitra . Efa nasehony tao amin’i Jesoa Kristy ny fitiavany raha namonjy Izy.

2-Mandray an-tànana ny ho avin’ny olony Izy

Mazava tsara eto ny fanomezan-toky omen’ Andriamanitra ny olona. Na dia handalo fitsapana sy fisedrana aza izy ireo dia miasa ho famonjena hatrany Izy (and2-3). Tsy avelan’ Andriamanitra ho resy tosika manoloana ny asan’ny fahavalo ny olony. Fianam-pandresena no,voaomana ho azy ireo. Mahazo matoky àry isika fa raha miaraka amin ‘Andriamanitra dia ho mpandresy hatrany. Efa nasehony izany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Nahoana no,mbola manahy ianao raha misy toe-javatra sarotra lalovana eo amin’ny fanompoana ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !