Mofon’aina – ALATSINAINY 22 JANOARY 2018

14 Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tànan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.15 Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Ianao dia Ianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.16 Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin’ i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’ Andriamanitra velona.17 Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny18 ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ ny tànany, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Ianao dia Ianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
2 MPANJAKA 19 :14-19

ANDRIAMANITRY  NY FANJAKANA REHETRA  NY  TOMPO

Ny tantara  ao  amin’ny Soratra masina  dia mampiseho  miharihary  fa ny mpitondra izay  nanankina ny asany  sy ny  fahatokiany  tamin’ Andriamanitra ihany no tena  nahita fahombiazana  amin’izay  rehetra nataony  . Iray  tamin’ireny  ny mpanjaka Hezekia : ny vavaka  izay nataony dia fampianarana  tsara  ho antsika :

1-Manetre tena eo  anatrehany 

Niakatra  ho ao an-tranon’i Jehovah  izy  ka namelatra  ny taratasy  teo anatrehany  sady nivavaka (and14). Na dia  mpanjaka sy manam-pahefana  aza i Hezekia  dia nanetry  tena ka nivavaka hoe: « Ianao  dia Ianao  irery no Andriamanitry   ny fanjakana  rehetra ambonin’ny tany »(and15,19). Aoka  mba ho toy  izany  avokoa  izay  rehetra  omen’ Andriamanitra  fitondrana   sy fanapahana ka hahatsiaro fa Andriamanitra no Tompon’ny hery  sy faefana rehetra. Izy  no nanao  ny lanitra  sy ny tany. Izy  irery  no Andriamanitra  fa ny andriamanitryb  ny jentilisa  dia tsinotsinona.

2-Ankino  Aminy ny ady rehetra 

Sady mihantsy  ady  ny  miaramilan’i Sankeriba  no mampihorohoro  fatratra. Nankininy  tanteraka  amin’ny Tompo  izany ady izay hatrehany  izany, ary  tsy misy  nafeniny teo anatrehany  tamin’ny alalan’ny fitarainany am-bavaka. Amin’ny  hasarotam-piainana sy ny ady hatrehina amin’izao fiainana izao  dia mametraka  izany  ho eo am-pelatànan’ny Tompo no tsara indrindra. Jesoa   no efa  nitondra  ny ady sarotra  rehetra  izay tokony   ho nentintsika . Aoka  Izy no hiady …fa ianao  kosa hangina (Eks 14.14).

Fanontaniana:

Inona  no andraikitry  ny mpitondra fivavahana amin’ny firenena?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !