MOFON’AINA ALATSINAINY 22 JONA

6 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? 7 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao* ianao? [Heb. hiery ny nofonao] 8 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’i Jehovah ho vodi-lalanao 9 Ary amin’izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan’ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy, 10 Ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana; 11 Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra. 12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ny tany.
ISAIA 58 : 6-12

IZAY ZAVATRA ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA

Ny hafatra noentin’ny mpaminany dia hafatra ho fampianarana ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Isiraely. Eto amin’izao mofonaina izao dia mampianatra izay mamaky azy rehetra Isaia izay zavatra ankasitrahan’ny Tompo. Roa izy rehefa tena mandinika tsara isika

  1. Manafaka ireo iharan’ny tsy rariny (and 6)

DIEM « ny mamaha ny olona voafatotra tsy ara-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahoriana ka manapatapaka izay zioga mangeja azy »

Sitrak’Andriamanitra ny mino raha miandany amin’ireo izay iharan’ny tsy rariny. Sitrak’Andriamanitra ny mino raha manao ny ezaka rehetra ka manafaka ireo iharan’ny tsy rariny amin’izay fahoriana mahazo azy noho ny tsy rariny. Sitrak’Andriamanitra ny mino raha miandany mandrakariva amin’ireo izay iharan’ny tsy rariny. Tsy hoe miandany fotsiny anefa fa manampy azy ireo ho afaka amin’izay rehetra mangeja azy noho ny tsy rariny mahazo azy. Raha ohatra ka tsy ho afaka hanafaka tanteraka azy ireo amin’ny tsy rariny dia mba miezaka manamaivana azy ireo amin’ny fahoriana mahazo azy. Raha manao izany mantsy ny mino dia ambaran’ny Tompo fa « dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavany »( and 8). Misy tombontsoa ateraky ny fanafahana ny hafa amin’izay mahazo azy avy amin’ny Tompo ho an’ny mino. Fitaovana eo am-pelantanan’Andriamanitra arak’izao ny mino manampy ireo izay azom-pahoriana noho ny tsy rariny, tanan’Andriamanitra manampy azy ireo amin’izany ny mino.

  1. Manampy ny sahirana (and 7)

DIEM « ny hizaranao ny haninao ho an’ny noana sy hampiantranoanao ireo mahantra mirenireny, ny hampitafianao izay hitanao fa miboridana ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan’ny namanao »

Raha fintinina izay ambara eto amin’izao and 7 izao dia mazava be fa fanampiana ny olona ao anatin’ny fahasahiranany no sitrak’Andriamanitra hotanterahin’ny mino. Ny fiarahamonina tokoa tsy ilaozan’olo-mahantra, ny mpiarabelona tsy ilaozan’izay tafiditra lalina ao anaty fahasahiranana. Adidin’izay mino ny manamaivana izay fahasahiranana mahazo ny mpiarabelona aminy izany. Tena anisan’ny zavatra sitrak’Andriamanitra tokoa mantsy izany. Tsy mahazo mitazam-potsiny eo anatrehan’izay fahoriana, fahasahiranana mahazo sy mamatotra ny namany ny mino, endriky ny fitiava-namana rahateo ny fanampiana azy ireo amin’izany. Adidy sy andraikitra amin’ny maha-kristianina rahateo izany.

Rehefa mandinika an’i Jesoa isika, dia Izy tokoa no zanak’Andriamanitra,  malalan’Andriamanitra satria nanafaka izay voafatotra noho ny tsy rariny izy, no nanampy ireo mpiara-belona Taminy tamin’ny endri-pahasahiranana samihafa namatotra sy nahazo azy ireo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.