MOFON’AINA ALATSINAINY 23 MARTSA 2020

Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha? 13 Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Mpanompony , Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, rehefa nokasainy halefa. 14 Fa hianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo; 15 fa ny Tompon’ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary vavolombelon’izany izahay. 16 Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. 17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. 18 Fa izany no nahatanterahan’Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan’ny Kristiny. 19 Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo, 20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesoa, 21 Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ny voalohany indrindra.
ASAN’NY APOSTOLY 3 : 12-21

REHEFA MIBEBAKA ISIKA

Tantaran’ilay lehilahy naterina isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly mba hangataka fiantrana tamin’izay miditra tao ity mofonaina ity. Lehilahy izay nositranin’i Petera tamin’ny anaran’i Jesoa ka nahagaga ny olona. Rehefa talanjona ny olona dia nampianatra Petera fa tamin’ny anaran’i Jesoa izay novonoin’ireto Jiosy ireto no nahasitrana azy ity. Ary rehefa vita izany fampianarana izany dia notaomin’i Petera ho amin’ny fibebahana sy ny fiverenana amin’Andriamanitra izy ireo. Rehefa mibebaka tokoa mantsy arak’izay fampianaran’i Petera eto dia

  1. Vonoin’Andriamanitra ny fahotana (and 19)

DIEM « noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho foana ny helokareo »

Ny mahafinaritra indrindra amin’Andriamanitra dia ny fisehoany ho fitiavana mandrakariva. Na dia olona nanolotra ny zanany hovonoin’i Pilato aza ireto iresahan’i Petera dia antsoina hiverina Aminy. Antsoiny hiverina Aminy mba hamonoany ny herin’ny fahotana ao amin’izy ireo. Fitiavana Andriamanitra fa tsy tiany ho fatin’ny fahotany ireto olona namono an’i Jesoa zanany ireto. Antsoiny hiverina satria rehefa tafaverina ao Aminy dia hahazo hery ho enti-mamono ny fahotany rehetra. Tena resy lahatra ny amin’Andriamanitra aho, tena babon’ny fitiavany aho. Porofoina indray maka indray eto izany fitiavany ny olony izany, ny fitiavany ny vahoakany izany. Nirahiny Petera eto hiantso azy ireo handray izay hery ho enti-mandevona ny fahotany izany.

Mbola marina mandrakariva izany fitiavan’Andriamanitra izany, koa na inona na inona endriky ny fahotana vitan’ny olona, na inona na inona vesatry ny fahotana vitan’ny olona. Mbola miantso azy Andriamanitra hiverina ao Aminy amin’ny alalan’ny fibebahana, fialàna amin’ny ratsy. Raha tonga amin’izany fiverenana tanteraka amin’Andriamanitra izany mantsy izy dia hahazo hery avy amin’Andriamanitra ho enti-mamono tanteraka ny fahotana sy ny herin’ny fahotana avy Aminy. Handeha tsy mba hangataka andro fa fotoana mety ANIO hiverenana marina amin’Andriamanitra.

  1. Velomin’Andriamanitra izay miverina marina (and 20)

DIEM « dia ho tonga aminareo ny vaninandro famelombelomana avy amin’ny Tompo »

Raha ny marina tsy misy fahavelomana azo antenaina raha mbola miaina ao anatin’ny fahotana ny olona. Raha mbola matanjaka ao amin’ny olona ny herin’ny fahotana dia ho sarotra aminy ny handray ny fahavelomana omen’Andriamanitra azy. Tsy miara-dalana arak’izany ny fahotana sy ny fiainana omen’Andriamanitra. Rehefa resy sy maty ny herin’ny fahotana vao tonga amin’ny dingan’ny fahavelomana marina avy amin’ny Tompo ny olona iray na iza na iza izy.

Tombontsoa ho an’izay afaka tamin’ny ratsy ka tafaverina ao amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fibebahana ny fahavelomana omen’Andriamanitra azy. Ary ity fahavelomana ity no ilay antsoin’ny soratra Masina hoe fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tafiditra ao amin’ny fiainana mandrakizay izay rehetra tafaverina ao amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fibebahana. Fotoana mety fanararaotra ny fotoana ANIO hamonoana ny herin’ny ota ka handraisana ny fameloman’Andriamanitra hidirana amin’ny fiainana mandrakizay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.