MOFON’AINA ALATSINAINY 24 FEBROARY 2020

1 Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika. 2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao. 3 Manandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka. 4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’i Jehovah any amin’ny avo. 5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
SALAMO 93 : 1-5

JEHOVAH NO MPANJAKA

Rehefa tena mamaky tsara ny Soratra Masina isika ry havana dia tena fanambarana ny momba an’Andriamanitra no hitantsika ao. Eto amin’izao mofonaina izao ohatra dia ambara fa mpanjaka Andriamanitra. Ary raha ny marina dia Izy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Miara-miombom-peo amin’izany avokoa ny kristianiana rehetra. Nahoana ary isika no miantso an’Andriamanitra ho mpanjaka araka ny fampianaran’ny mpanao Salamo eto? Ireto no valiny azo omena izany

  1. Be voninahitra Izy (and 1a, 4d)

« Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy… Ny voninahitr’i Jehovah any amin’ny avo »

Ny hoe mitafy dia ho enti-maneho ny zavatra izay miseho ety ivelany ka hahitana ny tena. Ny fitafiana no zavatra anisan’ny voalohany hita eo amin’ny olona, ary izany fitafiana izany no hametrahana ny olona iray amin’izay toerana sahaza azy. Eto dia ambara fa ny voninahitra no itafian’Andriamanitra, izany hoe ny voninahiny no hisehoan’Andriamanitra ka hahitana Azy voalohany. Ny hoe fitafiana ihany koa dia tsy tokony hohadinoina fa zavatra mameno ny tena manontolo, eto amin’izao mofonaina izao dia mameno an’Andriamanitra ny voninahiny. Ny voninahitr’Andriamanitra arak’izao no hitantsika eo amin’Andriamanitra rehefa mijery Azy isika. Io voninahitra io dia ambara koa fa any amin’ny avo, fomba fiteny izy ity ho enti-milaza fa ambony dia ambony, avo dia avo ny voninahitr’Andriamanitra ka tsy misy na iza na iza manam-boninahitra mihoatra an’Andriamanitra. Mpanjaka be voninahitra arak’izany Andriamanitra.

  1. Mahery (and 1b)

« Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy »

Iray amin’izay hanasokajiana ny maha-mpanjaka ny heriny. Miavaka amin’io hery io ny mpanjaka. Io hery io mantsy no ho entiny miady ka mandresy ny fahavalony, io hery io ihany koa no handaminany ny fanjakany. Mety ho heriny manokana izany, mety ho herin-tsaina, mety ho hery ara-batana, mety ho hery noho ny hakingana amin’ny ady, mety ho hery noho ny fahaiza-miara-miasa amin’ny hafa. Andriamanitra dia mahery, tsy misy manana hery ambonin’Andriamanitra. Misy teny baiko hiantsoana manokana an’Andriamanitra: « Dieu Omnipotent ». Manana ny hery rehetra no tian-kambara amin’izany. Io herin’Andriamanitra io dia miseho amin’ny asany eto amin’izao tontolo izao. Io hery io koa dia hery manimba sy mamotika ny fahavalon’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. Hery mahary zava-baovao mandrakariva ihany koa ity herin’Andriamanitra ity. Mpanjaka MAHERY ny Tompo, ary hita tao amin’i Jesoa Kristy ity hery ity fony Izy teto amin’izao tontolo izao. Izany no mahatonga antsika Protestanta mihira hoe: « Jesoa Mpanjaka malaza, no Tompo Mpanjakanay; MAHERY sy tsara indrindra, ka Izy no ARONAY »( FFPM 171. 1.)

  1. Marina (and 5a)

« Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra »

Marina tsy azo lavina ny tenin’Andriamanitra no tian-kambara eto. Satria marina ny tenin’Andriamanitra dia tsy misy na iza na iza manan-kalahatra eo anatrehan’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Marina Andriamanitra dia marina ny teniny. Io Andriamanitra marina amin’ny teniny io no mampiavaka an’Andriamanitra Mpanjaka. Tsy ny mpanjaka rehetra mantsy no marina amin’izay ambarany, Andriamanitra irery ihany no manana teny marina tsy misy azo andaharana sy kianina. Io fahamarinan’Andriamanitra miseho amin’ny alalan’ny teniny io koa no mahatonga ny olona maro matoky an’Andriamanitra ka mandray ny teniny rehetra. Io fahamarinan’Andriamanitra io koa dia tsy tokony hohadinoina fa maneho mazava ny maha-izy azy an’Andriamanitra, marina tsy miovaova amin’izay lazainy Andriamanitra. Tsy mba toa ireo mpanjaka na mpitondra be resaka fotsiny ka A no lazaina androany, fa B rahampitso. Marina Andriamanitra tsy miova, ary tsy mba mivadika amin’izay lazainy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.