MOFON’AINA ALATSINAINY 24 JONA 2019

1 Ary nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesoa, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto! 2 Ary Jesoa nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. 3 Ary raha nipetraka teo amin’ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe: 4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? Ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany? 5 Ary Jesoa nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 6 Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. 7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana ary hisy horohorontany any amin’ny tany samy hafa sady hisy mosary; izany ho fiandohan’ny fahoriana. 9 Fa mitandrema hianareo, fa hatolotra amin’ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no ho lazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.
MARKA 13 : 1-11

JESOA KRISTY: ANDRIAMANITRA MAHALALA NY HO AVY

Marka eto amin’izao mofonaina izao dia mitaona izay rehetra mamaky azy hamantatra ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Zavatra efatra no maneho izany maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy izany

  1. Manambara ny amin’ny haravan’ny tempoly tao Jerosalema (and 2)

« Ary Jesoa nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana »

Nambaran’i Jesoa eto ny handravan’ny Romana ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Io faharavana io dia vokatry ny tsy nandraisan’ny fiangonana sy ny jiosy fahizay an’i Jesoa ho Tompony sy ho Mpamonjy azy. Izay rehetra tsy mety mandray ny Mpamonjy arak’izao, izay rafitra rehetra tsy mety mandray an’i Jesoa dia tsy maintsy ho rava avokoa, tsy haharitra avokoa.

  1. Manambara ny amin’ny hisehoan’ny mpaminany sandoka (and 5-7)

« Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 6 Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany »

Hisy hilaza ny tenany fa Kristy kanefa mpamitaka fotsiny. Nampanantena mantsy Jesoa fa mbola hiverina haka ny mpianany sy izay rehetra mino Azy ho an’ny fiainana mandrakizay nampanantenainy. Eo anatrehan’izany dia hisy ireo ho avy hamitaka, ary ambaran’i Jesoa fa ho maro no voafitany. Tena Andriamanitra tokoa Jesoa satria mbola marina mandraka ankehitriny izany teniny izany.

  1. Manambara ny fifandrafian’ny firenena (and 8 )

« Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana »

Satria tsy nandray ny Andrian’ny Fiadanana izao tontolo izao dia tsy voasakana intsony ny hisian’ny ady eto amin’izao tontolo izao. Miady ny firenena samihafa, ary ny mampalahelo na dia ny mpiray firenena aza dia miady. Rehefa tsy noraisina ny fiadanan’ny Tompo dia manjaka eto amin’izao tontolo izao ny tsy filaminana, ny tsy fandriampahalemana, ny ady. Anisan’ny handanian’izao tontolo izao vola be mihitsy amin’izao ny fitandroana ny filaminana, fikarohana ny fandriampahalemana eran’izao tontolo izao.

  1. Manambara ny fahoriana hahazo ny kristianina (and 9-11)

« Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga »

Ny fikapohana ny kristianina dia endrika iray hanehoan’ny Soratra Masina ny fahoriana hahazo ny mino. Tsy zakan’izao tontolo izao ny filazantsara sy ny fahamarinan’ny Filazantsara izay hijoroan’ny kristianina vavolombelona ka tonga mampahory azy izao tontolo izao. Na dia eo aza anefa izany hoy ny Tompo dia hanampy azy ireo hahajoro ho vavolombelona ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Meteza hiara-miasa amin’ny Fanahy Masina eo anatrehan’ny fahoriana sy ny fanenjehana mahazo antsika kristianina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !