MOFON’AINA ALATSINAINY 24 SEPTAMBRA 2018

10 Halany eo am-bavahady izay mananatra, ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanimboaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.12 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.13 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’ izao andro izao, fa andro mampahory izao.14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona hianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.15 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’ izay sisa amin’ i Josefa.
AMOSA 5 : 10 – 15

1-    Miaina amin’ny faharatsiana ny fiaraha-monina

I Amosa dia mpaminany nirahin’ny Tompo hananatra ny zanak’i Israely, noho ny ratsy ataony. Tsy laitra anarina anefa ny vahoaka satria efa rakotry ny faharatsiana ny fiainany manontolo. Ny làlam-pivavahana dia natao tsinontsinona, ary ny làlam-pitondrantena koa dia nohitsakitsahiny tsotra izao. Voalaza eto amin’ny and. 5 hoe izay mananatra eo dia halany ary ireo miteny ny zava- marina toy ny faharatsiam-pitondrantenan’ny olona dia tsy hamavoina. Voalaza manokana ny fanaovana tsinontsinona ny mahantra sy fanaovana tsindry hazolena azy ireny izay tsy araka ny fanambaran’ny làlam- pivavahana amin’ny fitondrana azy ireny. Samy manao izay heveriny fa mahatsara azy sy ny fiainany avy ny olona. Tsy misy mihevitra ny hafa. Fitiavan-tena sy fanatsarana ny fiainany manokana no zava-dehibe tamin’ ny rehetra.

2-    Hovaliana    anefa ny ratsy atao

Ampahafantarin’i Amosa eto fa an’Andriamanitra ny teny farany, Azy ny fahefana sy fanapahana ny fiainan’nv olona ka tsy ho araka izay fandaharam-potoanan’ny olona hanatsara ny fiainanyakory no zavatra hisy. Voalaza eto hoe nanao trano voapaika vato ianareo fa tsy hitoetra amin’izany, nisasatra tokoa hihinam-bokatra ny olona fa tsy hisitraka izany velively noho ny ratsy natao izay tsy nanekena nibebahana, na dia efa notaomina ho amin’izany aza. Koa taomina ny rehetra hiverina amin’nv Tompo, tsy amin’ny endrika ivelany fotsiny fa amin’ny faharesen-dahatra tanteraka, ao anatin’izany koa ny fiheverana ny hafa, fa tsy ny tena ihany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.