Mofon’aina – ALATSINAINY 25 JIONA 2018

1 Ary tonga teny am-pitan’ ny ranomasina tao amin’ ny tanin’ ny Gerasena izy ireo.2 Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’ izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ ny fasana ka nifanena taminy,3 fa nitoetra tao amin’ ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ ny gadra aza.4 Fa efa nafatony matetika tanin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.5 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ ny vato.6 Fa nony nahita an’ i Jesoa teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany7 sady niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Ianao, ry Jesoa, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin’ Andriamanitra Ianao, aza mampijaly ahy,8 satria Jesosa efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.9 Dia nanontany azy Jesoa hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
MARKA 5 :1-9

MAMPIJALY NY  OLONA AMIN’NY  HERINY NY DEVOLY

1-Tsy  voafehin’ny olona izany 

Voalaza fa misy  olona andevozin’ny  devoly eto, any anaty  fasana izy no mitoetra ary minanana mandrakariva  no ataony  ary hita  fa manelingelina sy mampijaly ary mampatahotra  olona mihitsy  izany .Niezaka nifehy  azy ihany ny  olona tamin’ny alalan’ny famatorana ny tànany , ny  tongony  fa niala maina  hatrany . Tsy  voafehin’ny olona mihitsy ny  devoly .Na dia tsy fahita aza angamba ny fisian’ny  demoniaka toy izany  eo amin’ny fiainan’ny  kristiana ankehitriny  dia manaiky  isika  fa mbola ampahorian’ny  devoly  ny kristiana  min’ny ankapobeny  ary na dia tsy voafehin’ny olona aza izany dia tsy mahazo  mipetra-potsiny ny kristiana fa tsy maintsy  mitady  fomba handresena azy.

2-Resin’i Jesoa ny devoly 

Vao nahita an’i Jesoa Kristy  ilay fanahy ratsy  dia voalaza eto fa niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany . Ambaran’ny  mpahay Baiboly  fa mariky ny fahambonian’i Jesoa Kristy manoloana ny hery rehetra izany . Ny  fampiasana ny fomba fiteny  hoe:  « moa mifaninona akory izaho sy ianao ry Jesoa? » dia mba hanosehana an’i Jesoa tsy hiditra  amin’ny zavatra ataony, kanefa i Jesoa Kristy  vao mainka niditra. Ny  dikan’ny nanontaniana ny anarany dia mba hahafahana mifehy azy(vakio ny tohin’ny tantara). Koa ny handresena ny  devoly  izany  dia tsy  misy afa-tsy  ny herin’i Jesoa Kristy irery ihany. Koa mangataha izany Aminy ianao raha te-handresy izany .

Fanontaniana:

Afaka mandresy ny  devoly amin’izao ve ny  mpiandry?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !