MOFON’AINA ALATSINAINY 25 MAY 2020

18 Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesoa intsony. 19 Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. 20 Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. 21 Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an’Andriamanitra noho ny amin’ny zavatra efa natao. 22 Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany. 23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin’ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin’Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: « Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan’ny tany nitsangana, ary ny mpanapaka niangona hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany » (Sal 2.1.2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesoa Izay nohosoranao, 28 mba hanao izay notendren’ny tànanao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra, 30 omban’ny aninjiranao ny tànanao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran’ i Jesoa, Mpanomponao Masina. 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.
ASAN’NY APOSTOLY 4 : 18-31

IREO ANTONY NAMPIROBOROBO NY FINOANA SY NY FILAZANTSARA TEO AMIN’NY FIANGONANA VOALOHANY

Nosamborina ary natao an-tranomaizina Petera sy Jaona rehefa nitory tamin’ny fahasahiana ny filazantsara, filazantsara izay nifototra tamin’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, filazantsara izay nisy famantarana lehibe eto dia ny nanasitranan’ny Apostoly ilay lehilahy nalemy nangataka teo amin’ny vavahadin’ny tempoly. Sosotra tamin’izy ireo ny tomponandraikitra Jiosy ka saika hampahory azy ireo. Kanefa natahotra ny vahoaka betsaka izay nino rehefa nahita fa sitrana ilay malemy. Hany herin’ireo tomponandraikitra jiosy dia nandrara ny Apostoly tsy hitory amin’ny anaran’i Jesoa. Rehefa feno ny Fanahy Masina anefa ny Apostoly dia tsy voasakan’izany fandrarana izany izy ireo fa feno fahasahiana kokoa aza nitory ny filazantsara. Ireto no anton’ny nampiroborobo ny finoana sy ny filazantsara

  1. Nazoto nivavaka ny Apostoly (and 31)

« ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany »

Fanalahidy lehibe iray tena nampahomby ny fitoriana ny filazantsara teo amin’ny fiangonana voalohany ka nampiroborobo ny finoana sy ny filazantsara ity fivavahana ity. Tsara ny fifandraisan’ny Apostoly tamin’Andriamanitra sy Jesoa Kristy. Ary ilay hoe nihovitrovitra dia ho enti-maneho fa tena nanatrika azy ireo Andriamanitra. Namaly mandrakariva ny vavaka nataon’izy ireo koa ny Tompo ka izay nangatahin’izy ireo dia nomen’Andriamanitra tokoa. Ny vavaka dia ho enti-milaza fa na dia tany an-danitra aza Jesoa dia tsy tapaka ny fifandraisany tamin’ny Apostoliny. Tena toromarika sy fampianarana lehibe izao ambaran’ny mofonaina izao mba hahatonga ny mino hahomby koa raha mikely aina izy mitory ny filazantsara.

  1. Feno ny Fanahy Masina ny Apostoly (and 31)

« dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra »

Nangataka sy nivavaka tamin’Andriamanitra ireto Apostoly rehefa sendra ny zava-tsarotra teo amin’ny fitoriana ny filazantsara sy ny fijoroana vavolombelona. Anisan’ny valim-bavaka nomen’Andriamanitra azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina. Eto dia mazava tsara fa ny Fanahy Masina izay nomen’Andriamanitra azy ireo dia nameno tanteraka azy ireo. Ny hoe feno ny Fanahy Masina raha adika dia ho enti-milaza fahafenoan’ny hery avy amin’ny Fanahy Masina. Ny Tompo mantsy dia nampanantena fa hahazo hery ny Apostoly noho ny fanomezana ny Fanahy Masina. Io fahafenoan’ny hery noho ny asan’ny Fanahy Masina io no anisan’ny nampiroborobo ny Asa fitoriana ny Filazantsara sy ny finoana kristianina. Tsy misy afaka hihambo na iza na iza ho mahavita samirery ny fitoriana ny filazantsara. Mila ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ny fiangonana sy ny kristianina mba hahomby izany.

  1. Feno fahasahiana ny Apostoly (and 31)

« ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana »

Ity fitoriana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fahasahiana ity no vokatra lehibe teo amin’ny Apostoly mampiseho ho hita maso ny fahafenoan’ny Fanahy Masina tao amin’izy ireo. Ilay hery nomen’ny Fanahy Masina azy ireo dia nanome fahasahiana azy ireo ka na dia noraran’ny jiosy aza izy ireo tsy hitory amin’ny anaran’i Jesoa dia vao maika nanao izany. Ary ry Petera aza moa rehefa nosamborina indray ka nanontaniana sy nilazana fa efa norarana tsy hanao izany dia namaly ireo jiosy tamin’ny fahasahiana hoe : « Andriamanitra no tokony hekena mihoatra ny olona », izany hoe Andriamanitra no tokony hatahorana mihoatra noho ny olona. Fianarana lehibe no azo avy amin’ny fiangonana voalohany rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly, fianarana lehibe izay mila hananan’ny kristianina sy ny fiangonana ankehitriny. Mbola maro ny toerana mbola tsy nandre ny filazantsara ka sady mila mivavaka ny kristianina, mila mahazo ny hery avy amin’ny Fanahy Masina, no mila fahasahiana hitory marina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.