MOFON’AINA ALATSINAINY 26 AOGOSITRA 2019

30 Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika. 31 Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy. 32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ny Zanak’Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe; 33 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin’ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.1 Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin’iny alina iny. 2 Dia nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ny Zanak’Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy: Inay anie isika mba maty tany amin’ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty taty amin’ity efitra ity! 3 Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va? 4 Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta. 5 Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan’ny fivorian’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra. 6 Ary Josoa, zanak’i Nona, sy Kaleba, zanak’i Jefone, izay isan’ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany; 7 ary niteny tamin’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, izay roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. 8 Raha sitrak’i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. 9 Fa aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
NOMERY 13 : 30 – 14 : 9

FOMBA MAHOMBY HO ENTI-MANDRESY AMIN’NY ADY

Resaka mitantara amintsika ny ady hevitra teo amin’ny Zanak’Isiraely ny mofonaina antsika androany. Ady hevitra izay nitaona ny olona hiverina any Egypta noho ny fahitan’ny sasany ny fahavalo tao amin’ny tany Kanana sy ny fandresen-dahatra nataon’i Josoa sy Kaleba mba handroso ka haka ny tany Kanana eo ambany tana-maherin’ny Tompo. Ireto no hafatra tsara fitadidy

  1. Aza mora kiviana (Nom 13:30 – 14 : 4)

Teny roa no henon’ny Zanak’Isiraely tamin’ireo olona niverina avy nisafo ny tany Kanana

– lehilahy hafa: nanakivy ny vahoaka noho ny zavatra hitany tao amin’ny tanàna « Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy ». Tena marina tokoa fa mahery ireo olona ireo fa ny filazany izy ireo izany dia tsy mba nampahery fa nanakivy ny Zanak’Isiraely.

– Kaleba: nandresy lahatra hiditra ny tany Kanana « Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika ». Ity filazan’i Kaleba ity dia tsy nanaisotra mihitsy ny maha-mahery ny olona tao an-tanàna fa nandrisika kosa ny Zanak’Isiraely, tsy nanakivy toa ireo lehilahy sasany.

Rehefa nandre ireo tenin’ny mpisafo tany ny Zanak’Isiraely dia ny mahagaga dia izao: mora kokoa tamin’ny Zanak’Isiraely ny nandray ny teny fanakiviana noho ny fampirisihina nataon’i Kaleba. Maneho amintsika izany fa eo anatrehan’ny olana dia mora kokoa ny manisaka ny olona ho amin’ny fahakiviana noho ny fandrosoana. Ny vanimpotoana ankehitriny dia ahitana taratra fa mora kiviana kokoa ny olona, indrindra moa raha eo anoloan’ny zava-tsarotra.

  1. Mandrosoa mandrakariva (Nom 14:6,7)

Teo anatrehan’ny fahakivian’ny Zanak’Isiraely sy ny fanapaha-keviny hiverina ho any Egypta dia tsy nipetrapetraka fotsiny Josoa fa nitsangana nandresy lahatra ny Zanak’Isiraely handroso hiditra amin’ny tany Kanana izay nampanantenain’Andriamanitra. Misy fotoana mila mijoro isika ka mandresy lahatra ny hafa na dia vitsy an’isa aza. Mila mijoro mitaona ny olona tsy hiverin-dalana, mila mijoro mandresy lahatra tsy hihemotra. Isika Kristianina rahateo tsy mba naman’izay mihemotra. Hisy mandrakariva ny mpanakivy, ho mora kiviana koa ny olona, fa tsy maintsy mandrisika ny hirosoana hatrany isika. Fa izao koa, eo anatrehan’ny zava-tsarotra, raha sendra kivy isika, dia tsy tokony hanimba ny namantsika. Aoka hijanona amintsika ny fahakiviantsika fa manimba zavatra sy mampihemotra ny hafa izany. Aoka tsy hamindra aretina amin’ny hafa isika raha sendra kivy.

Jesoa teto amin’izao tontolo izao dia nitaona ny mpianatra handroso mandrakariva, nampahery azy ireo hatrany Izy teo anatrehan’ny zava-tsarotra rehetra nosedrain’ny mpianatra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.