MOFON’AINA ALATSINAINY 26 NOVAMBRA 2018

Fa ny amin’ ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo.3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
I TESALONIANA 5 : 1-3

MIOMANA, FA HO AVY NY TOMPO.

Nampianatra zavatra maro ny amin’ny fiìtsanganana amin’ny maty sy izay hiseho amin’ny andro ihavian’ny Tompo ny Apostoly Paoly. Taorian’izany dia liana sy te hahalala ny andro iverenan’i Kristy indray ireo mpino. Izany no anton’izao fampianarana izao. Nambarany tamin’izany fa ny andro ihavian’ny Tompo dia:

1- Ho tampoka ny fiaviany.

Ho avy tampoka toy ny iavian’ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo (and.2). Tsy misy mahalala izay havoaky ny ampitso, ny azontsika atao dia ny miomana ka ho vonona mandrakariva, mba tsy ho tampoka amintsika izany. « Fa ìanareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ny alina na an’ny maizina isika. » (and.4,5)

2- Andro fandringanana.

« Raha misy manao azy hoe miadana sy mandry fahizay dia hanjo azy tampoka nv fandringanana. »(and.3). Tsy tokony horaisina ho fampitahorana akory ny filazana izany, fa ho fampiomanana kosa. Izay efa niomana dia tsy hotampohin’ny loza. Ary fitiavana sy famindram-pon’ Andriamanitra amintsika no ahazoantsika fotoana hiomanana. « Aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena… ka hitafy ny fìnoana, fìtiavana, fanantenana, hifananatra sy hifampahery », (and.6 ;8;11)

Fanontaniana:
Inona no asa maika tokony hotanterahin’ny fiangonana ho fíomanana amin’ny fiavian’ny Tompo?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !