MOFON’AINA ALATSINAINY 27 APRILY 2020

1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, 2. izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsy fanarahana; 3. teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. 4. Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, 5. na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo) 6. ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa, 7. mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny haren’ny fahasoavany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesoa. 8. Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; 9. tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. 10. Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
EFESIANA 2 : 1-10

KRISTIANINA EO AMBANY FAHASOAVANA

Ny Kristianina dia nahazo tombony manokana tamin’ny fampianaran’i Paoly. Tombony noho ny fampianarany tena mafonja sy mavesa-danja tokoa. Amin’ny Paoly, eo ambany Fahasoavan’Andriamanitra ny mino satria

  1. Manaiky fa maloka ny lasany (and 3)

DIEM « Izahay rehetra koa dia anisan’ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filandratsin’ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin’ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra tahaka ny hafa koa izahay »

Paoly dia niteny mazava fa izy no lohan’ny mpanota. Mbola mampahatsiaro Paoly eto hoe avy aiza izy. Miseho amin’ny teny ataony ny fanetre-tenany. Ambarany mazava fa raha manao jery todika ny lasa izy dia mahamenatra izany satria mahatezitra an’Andriamanitra. Ambaran’i Paoly fa avy amin’ny tontolon’ny mpanohitra an’Andriamanitra izy. Toa an’i Paoly avokoa isika rehetra. Samy efa nanao izay nahatezitra an’Andriamanitra avokoa. Ary mety misy aza mbola manao izay mahatezitra an’Andriamanitra. Aleo miova raha marina aminao izany

  1. Velomin’Andriamanitra indray (and 5)

DIEM « ka fony mbola maty ara-panahy isika noho ny fahadisoantsika, dia novelominy indray niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavan’Andriamanitra no namonjena anareo! »

Ilay fahotana tsy nanamaloka ny lasa fotsiny. Tena nitondra fahafatesana mihitsy. Soa fa miasa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra ka manafaka sy mamonjy amin’izany. Maimaim-poana ilay famonjena fa « tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha »( and 9). Tombony lehibe ho antsika arak’izao ilay hoe novelomina INDRAY noho ny Fitiavan’Andriamanitra antsika. Satria nantsangana tamin’ny maty Jesoa dia afaka manangana antsika amin’ny maty koa Andriamanitra. Afaka mamelona indray. Io tombony manokana io no maha-sambatra antsika.

  1. Miasa tsara ho an’Andriamanitra (and 10)

DIEM « fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika »
Misy vokany tsara eo amin’ny olona ilay Famonjen’Andriamanitra. Ilay fiovana ateraky ny Famonjen’Andriamanitra (izany hoe fahaterahana indray ao amin’i Jesoa Kristy), dia mahatonga asa tsara ao amin’izay voavonjy. Ilay fiombonana amin’i Jesoa no mahatonga ilay asa tsara. Tena mitondra antsika ho amin’ny fahatsarana mandrakariva Jesoa. Tafaverina ho Zanak’Andriamanitra indray mantsy noho ny amin’i Jesoa ka lojika raha mahavita asa tsara. Ezaka tena mila atao ny firaisana amin’i Jesoa hanaovana asa mendrika sy tsara ho an’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.