MOFON’AINA ALATSINAINY 27 JANOARY 2020

45Ary niditra teo an-kianjan’ny tempoly Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra 46. ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isaia 56:7) fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy (Jeremia 7:11). 47. Ary nampianatra isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy; 48. nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.
LIOKA 19 : 45.-48

JESOA MANOME LANJA NY TRANON’ANDRIAMANITRA

Anisan’ny fanitsiam-pivavahana nataon’i Jesoa teo amin’ny fiangonana fahizay ny fomba fampiasan’ny olona, ny jiosy ny tranon’Andriamanitra. Nataon’ny jiosy ho toeram-pivarotana ny tranon’Andriamanitra, nataony toeram-pivarotana mba hanakanana ny jentilisa tsy hifandray amin’Andriamanitra. Io toerana nivarotana io mantsy dia tsy tokony hohadinoina fa kianjan’ny jentilisa. Mba ho enti-manakana ny jentilisa hivavaka dia nasiany tsena teo. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Mandroaka izay manimbazimba ny tranon’Andriamanitra Jesoa

« Ary niditra teo amin’ny kianjan’ny tempoly Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra »

Mahagaga ity fihetsik’i Jesoa, Zanak’Andriamanitra kanefa mandroaka olona hiala ao amin’ny tempoly. Noroahan’i Jesoa izay rehetra hitany fa tonga tao amin’ny tempoly kanefa tsy dia hifandray amin’Andriamanitra loatra no anton-diany. Hay arak’izao dia misy olona azo roahana ao anaty fiangonana kristianina. Azo roahana rehefa hita fa tsy hivavaka, azo roahana rehefa manimbazimba ny tranon’Andriamanitra ka manao ny fiangonana ho toeram-panararaotana sy fitadiavam-bola amin’ny fomba tsy rariny. Aoka arak’izao ho toeram-pifandraisana marina amin’Andriamanitra ny fiangonany.

  1. Mampianatra ny tenin’Andriamanitra

« Ary nampianatra isan’andro teo an-kianjan’ny tempoly Izy »

Asehon’ny tantara fa mamerina amin’ny laoniny ny fomba fampiasana ny tranon’Andriamanitra Jesoa. Ny tempoly dia toerana hampianarana ny tenin’Andriamanitra. Isan’andro no ambara eto fa nampianaran’i Jesoa. Averin’i Jesoa amin’ny laoniny ny hasin’ny tranon’Andriamanitra. Mijoro ho modely alain-tahaka Jesoa eo amin’ny fomba fampiasa marina ny tranon’Andriamanitra. Omen’i Jesoa lanja ao amin’ny tempoly ny fampianarana ny soratra Masina. Aoka mba ho sehatra hizarana ny tenin’Andriamanitra hatrany ny fiangonana kristianina. Aoka mba hahazo laka sy tena hahazo vahana ao amin’ny fiangonana ny tenin’Andriamanitra. Izany no antom-pisian’ny fiangonan’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.