MOFON’AINA ALATSINAINY 27 JOLAY 2020

14 Ary Jesosy niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ny tany rehetra manodidina ny lazany. 15 Ary Izy nampianatra teny amin’ny synagogan’ny olona ka nankalazain’izy rehetra. 16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. 17 Dia natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: 18 « Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina, 19 Hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah » (Isa. 61. 1, 2). 20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika azy ny mason’izay rehetra teo amin’ny synagoga. 21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
LIOKA 4 : 14-21

NY OLONA AFAKA TARAFINA AMIN’I JESOA

Mitantara ny fanombohan’i Jesoa ny asa fanompoany Lioka eto amin’izao mofonaina izao. Fiadohan’ny asa fanompoana izay voamariky ny asa maherin’ny Fanahy Masina tao amin’i Jesoa. Fiandohan’ny asa fanompoana izay marihin’ny fandresen’i Jesoa ny fakam-panahy. Fa avy amin’izao fiandohan’ny asa fanompoany izao no ahitana fa Jesoa dia olon’afaka ka

  1. Mahery noho ny asan’ny Fanahy Masina (and 14)

« Ary Jesosy niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia »

Ambara eto fa feno herin’ny Fanahy Masina Jesoa rehefa vita ny fakan’ny devoly fanahy Azy, ary nivoaka ho mpandresy tamin’izany Izy. Mahery sy matanjaka izay rehetra avy mandresy ny fakam-panahy sy ny devoly. Mahery noho ny asan’ny Fanahy Masina. Tsy tokony hohadinoina fa ity faherezana ity koa dia tena ilaina satria nanomboka ny asa fanompoany an’Andriamanitra eo amin’ny fiarahamonina amin’izay Jesoa. Ny hery omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina arak’izany dia hery ho enti-miasa ho an’Andriamanitra eo amin’ny mpiarabelona.

  1. Miely ny laza tsarany (and 14)

« Niely tamin’ny tany rehetra manodidina ny lazany »

Laza tsara no niely momba an’i Jesoa. Aseho tokoa fa manana ny Fanahy Masina Izy, ary io Fanahy Masina io no miasa ao Aminy ka mahatsara laza Azy. Rehefa tsara laza tokoa toa an’i Jesoa toa izao dia tsy voasakana tsy hiely izany laza tsara izany. Ary ity fielezan’ny laza tsaran’i Jesoa ity no anisan’ny nialonan’ny Jiosy Azy. Laza tsara nateraky ny hafanam-po amin’ny fanompoana an’Andriamanitra anefa izy ity. Mazotoa miasa ho an’Andriamanitra dia ho tsara laza toa an’i Jesoa.

  1. Mampianatra ny olona ny tenin’Andriamanitra (and 15)

« Ary Izy nampianatra teny amin’ny synagogan’ny olona ka nankalazain’izy rehetra »

Aseho fa tena tsy misy mamatopatotra an’i Jesoa ary tena afaka mampianatra an-kalalahana ny tenin’Andriamanitra Izy. Na dia tsy dia tian’ny Jiosy loatra aza Jesoa nampianatra satria lasa tsy hita taratra intsony izy ireo noho ny fahaizan’i Jesoa mampianatra dia tsy voasakana mihitsy Jesoa tamin’izany. Ilay fahaizan’i Jesoa nampianatra ny tenin’Andriamanitra no nahatonga ny vahoaka nankalaza Azy eto. Ny zavatra tsara atao ho an’Andriamanitra, ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao dia ahazoana sitraka mandrakariva.

  1. Mandray andraikitra (and 16)

« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny »

Aseho fa tena olon’afaka tokoa Jesoa. Koa satria olon’afaka dia mandray andraikitra, manompo an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana. Ny famakiana ny tenin’Andriamanitra mantsy dia endriky ny fandraisan’andraikitra. Tsy tonga mba hihaino sy hijerijery tao amin’ny fiangonana Jesoa, tonga tao Izy ary tena nanompo, niasa, nandray andraikitra nifanandrify Taminy. Ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny olona dia mandrisika azy handray andraikitra mandrakariva, ary ny mahafaly ho antsika kristianina dia misy anjara fanompoana sahaza sy mifanandrify amin’ny tena ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra.

  1. Manatanteraka izay voalazan’ny Soratra Masina (and 21)

« Ary Jesosy niteny taminy hoe: Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany »

Asehon’ny tantara eto fa tonga nanatanteraka ny Soratra Masina Jesoa. Tonga naneho fa Izy Ilay voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha hanatanteraka ny fanafahan’Andriamanitra ny vahoakany. Tsy tonga nandrava tokoa Jesoa fa tonga nanatanteraka izay voasoratra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina. Ny fanafahana tonga lafatra notanterahin’i Jesoa ny fanolorany ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana hamonoana ny fahotana mba tsy ho voafatotr’izany intsony izay rehetra mino Azy. Matokia an’i Jesoa arak’izao fa efa tanterany avokoa ny asam-panafahana rehetra ho an’ny olona rehetra izay mino Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.