Mofon’aina – ALATSINAINY 28 AOGOSITRA 2017

23 Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an’ ny rainy ho entiny eny an-dalana.24 Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana hianareo.25 Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin’ i Jakoba rainy tany amin’ ny tany Kanana.26 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon’ i Jakoba, fa tsy nino azy izy.27 Dia nolazain’ izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Josefa taminy; ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain’ i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin’ i Jakoba rainy.
GENESISY 45 :23-27

NY FANDRESENA  NY FIJALIANA

1-Mila mpamonjy 

Ny   fijaliana  voalaza  ato  dia ny mosary. I Josefa no nirahin’ Andriamanitra  hitondra vahaolana  manoloana  izany. Ny fitsinjovantsika  ny ampitso  amin’ny alalan’ny tahiry no vahaolana nentiny. Tandindon’i Kristy i Josefa eto. I Kristy,  izay nanampy  ny olona  handresy  ny  mosary tamin’ny alalan’ny fahagagana nataony. Ao Aminy  no  misy fiainana be dia be (Jao 10 :10). Miditra  an-tsehatra  amin’ny fiainana  andavanandrontsika ny Tompo: manasitrana ny aretina Izy, mamoky  ny noana ary manendry  olona  hitondra vahaolana. Misy  vokatra  amin’ny fiainantsika  andavanandro  sy ny ankehitrinintsika  ny  famonjen’ Andriamanitra ;

2-Mila fanolorantena

Rehefa voavonjy  tamin’ny alalan’i Josefa  ny  olona  dia nanolotena  ho  mpanompon’i Farao .Araka izany  , izay mahatsiaro  ny famonjen’i Kristy dia mila manolotena  ho  Azy . Izy rahateo  nilaza  fa izay manatona Azy tsy mba holaviny  mihitsy  (Jao 6 :37). Ny  fitia  mifamaly  mahatsara  fihavanana. Midika fitiavantena ihany  raha toa ka nandray  fahasoavana avy  amin’ny Tompo, nefa sady tsy mahay  mankasitraka no  tsy nanolotena ho Azy.

Fanontaniana:

Inona no valimpitia  omentsika  ny Tompo  noho ny famonjeny antsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !