Mofon’aina – Alatsinainy 28 novambra 2016

36 Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy [Dorkasy = Gazela; izahao 2 Sam. 2,18] ; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’ izany vehivavy izany.37 Ary narary izy tamin’ izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.38 Ary satria Lyda akaikin’ i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.39 Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’ i Dorkasy fony fahavelony.40 Ary navoak’ i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an’ i Petera izy, dia niarina.41 Ary Petera nanolo-tanana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.42 Ary dia fantatra eran’ i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.43 Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin’ i Simona mpandon-koditra.
ASA 9 :36-43

NY MPANOMPO MAHATOKY

1-Tsaroan’ny olona mandrakariva

Niavaka tamin’ny toe-panahy nananany i Tabita . Nivelona tamin’ny fitiavana sy ny finoana an’ Andriamanitra izy ka naneho izany tamin’ny alalan’ny asa sy fiantrana ho fampandrosoana ny hafa . Tafapaka tamin’ireo nifanerasera taminy izany . Tsaroany fa hafa ny tena olon’ny finoana . Koa raha nidona tamin’i Tabita ny fahafatesany dia tsy hadinon’ireto notolorany fahasoavana izany fa nasehony , nolazainy tamin’i Petera . Tsarovy fa ny asan’ny fitiavana sy ny finoana nataonao tafapaka amin’ny hafa dia hotsarovana mandrakizay .

2-Mitarika finoana ho an’ny hafa

Hitan’i Petera fa latsaka tao anatin’ny fahakiviana sy ny famoizampo ireto olona nifanerasera tamin’i Tabita ireto . Niasa nitarika azy ireo ho amin’ny finoana izy , nitaona ny olona mba hametraka ny fiainana amin’ Andriamanitra . Natsangany tamin’ny maty i Tabita mba ho velona ny finoan’ireto olona manodidina azy . Nasehony fa misy Andriamanitra , afaka mamaha ny olana amin’ny fotoana rehetra . Tratra ny tanjona : nitombo ny isan’ny mpino tao Jopa . Ao amin’ Andriamanitra no vahaolana , noho izany afaka mametraka ny fiainana Aminy ny olona .

Fanontaniana :

Mitondra inona eo amin’ny fiainan’ny olona manodidina anao ny fijoroanao nho kristiana ao amin’ny fiaraha-monina ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !