Mofon’aina – ALATSINAINY 29 JANOARY 2018

1 Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.2 Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.3 Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova hianao. Dia nadio tamin’ ny habokany niaraka tamin’ izay izy.4 Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza hianao; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo.
MATIO 8 :1-4

« METY AHO, MADIOVA  IANAO »

Tena sitrak’i Jesoa tokoa  ny hahasitrana  ny marary   , ary manam-pahefana  hahasitrana   ny kara zana aretina  izay heverin’ny olona fa tsy azo  sitranina Izy . Inona  kosa àry  no tokony   hataon’ny marary?

1-Manatona  Azy (and 2)

Na dia teo  aza  ireo  vahoaka  marobe   manaraka an’i  Jesoa   (and 1), mety   nisy  koa  ny fanilikiliana  sy  ny fitsaran’olombelona   noho ilay aretin-koditra . Tsy nahasakana  azy hanatona  an’i Jesoa  izany rehetra izany. Ny   fanatonana an’i Jesoa  ihany  no vahaolana . Aza mijery   olona, aza mijery olana , fa manatona Azy.

2-Miankohofa  eo anatrehany  (and 2)

Fantar’ilay marary fa afaka  manasitrana  azy ny Tompo  raha sitrany izany, ka dia hoy Izy  :  « Tompo ô  raha sitrakao  dia hainao   diovina aho » (and 2b-DIEM). Ka  dia sitraky ny  Tompo  ny hanasitrana azy. Mivavaha   ka manompoa  Azy. Izany   no fiankohofana eo anatrehany, maneke fa tsy mahavita na inona na inona isika. Raiso  Jesoa  hanam-pahefana  sy ho mpanapaka  ny fiainanao.

3-Mandehana  miseho  amin’ny mpisorona  (and 4)

Nirahin’i Jesoa  ilay lehilahy  mba hiseho  any  amin’ny mpisorona sy hitondra fanatitra. Manana andraikitra  amin’izay  rehetra nositranin’ny Tompo  ny mpitondra fivavahana , ary izay  nositranina kosa hivavaka sy hisaotra an’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Rehefa  marary  mafy  ny olona vao  mitady  an’i Jesoa. Nahoana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !