MOFON’AINA ALATSINAINY 29 JOLAY 2019

1 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany. 2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro. 3 Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. 4 Kanefa misy olona vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika izy. 5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.
APOKALYPSY 3 : 1-6

APOKALYPSY 3 : 1-6

« 1 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany. 2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro. 3 Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. 4 Kanefa misy olona vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika izy. 5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana. »

-KRISTIANINA HITAFY LAMBA FOTSY

Rehefa tena nandeha nitory ny Filazantsara ny kristianina tamin’ny taonjato voalohany dia tena niparitaka sy nahatratra toerana maro ny filazantsara. Anisan’izay tratry ny filazantsara ny faritr’i Azia minora. Tonga tany ny filazantsara ary niorina ny fiangonana. Nitranga koa anefa ny fanenjehana ny fivavahana ka anisan’ireo fiangonana nampaherezina ireo fiangonana fito tany Azia. Ny hafatry ny Tompo tamin’ireo fiangonana 7 dia mizara roa mazava tsara: fampaherezana sy fampitandremana mazava tsara. Ny kristianina hitafy lamba fotsy araka ny fampianarana ny fiangonana tany Sardisy dia

  1. Kristianina tsy nandoto ny fitafiany (and 4)

« Kanefa misy olona vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika izy »

Kristianina tsy nanota fa nitondra tena araka ny filazantsara no tian-kambaran’i Jaona eto. Koa satria tsy nandoto ny fitafiany, tsy voafatotry ny fahotana dia hiara-mandeha amin’ny Tompo noho ny fahamendrehany. Ambara ihany koa fa miara-mandeha amin’ny Tompo izy ireo, izany hoe mitovy lalana amin’ny Tompo, mitovy tanjona amin’ny Tompo. Nisy mantsy ireo izay niala an-daharana ka niova famindra tanteraka, niova fenitra tokoa. Maro tamin’ny kristianina noho ny fakam-panahy no niala tamin’ny Tompo ka nanao fitondrantena tsy mendrika. Noho ny fanenjehana no niala tamin’ny finoana noho tahotra samihafa. Teo anatrehan’ny fakam-panahy, teo anatrehan’ny fanenjehana dia nisy kosa anefa ireo tsy niala tamin’ny finoana marina. Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa na inona na inona mety ho antony izay mahazona tsara ny finoana ihany.

  1. Kristianina tsy novonoina tao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany (and 5)

« Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny »

Noho ireo mino niara-nandeha tamin’ny Tompo, nitovy tanjona mandrakariva tamin’ny Tompo dia ambaran’i Jaona fa tsy hofafan’ny Tompo ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaran’izy ireo. Ny hoe tsy fafana ao amin’ny bokin’ny fiainana dia ho enti-milaza fa handova ny fiainana mandrakizay. Ny hoe mitafy lamba fotsy arak’izany dia ho enti-milaza fidirana amin’ny fiainana mandrakizay, fandovana ny fiainana mandrakizay izay efa noman’i Jesoa ho an’izay rehetra niara-nandeha Taminy. Jesoa ao amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka dia niteny tamin’ny mpianatra ny tokony hahafaly azy ireo noho ny maha-voasoratra ny anaran’izy ireo any an-danitra. Hoy Jesoa: « Kanefa aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo »(Lio 10 : 20)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.