MOFON’AINA ALATSINAINY 29 JONA

34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35 Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra ety ambonin’ny tany rehetra izany. 36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.
LIOKA 21 : 34-36

IREO FOMBA HIANTREHANA NY LOZA NAMPITANDREMAN’I JESOA ANTSIKA

 Eo amin’ny and 10, 11 dia izao no voalazan’i Jesoa Kristy: « Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. 11 Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra ». Ny olana misy ankehitriny dia efa voalazan’i Jesoa 2000 taona mialoha. Hahatonga tahotra sy tebiteby eo amin’ny kristianina ireo tranga ireo. Jesoa anefa tsy nilaza fotsiny ireo tranga ireo fa nanome koa ny fomba hiatrehana izany. zavatra efatra no ambaran’i Jesoa fa fomba hiatrehan’ny mino izany

  1. Amin’ny fiambenana

«  fa miambena »

Ho enti-milaza olona malina, mailo, tsy varimbariana ny hoe miambina. Raha variana amin’izao fiainana izao ny mino, raha variana eto amin’izao tontolo izao izy dia tsy mahagaga raha toa ka ho tafalatsaka amin’ny tahotra sy ny tebiteby noho ireo tranga mampatahotra misy amin’ny fotoana ankehitriny. Mila mitily ny asam-pahavalo izy, mila miambina tanteraka izy ka tsy ho resy tory akory aza.

  1. Amin’ny vavaka

« ka mivavaha mandrakariva »

Ho reraka, ho kivy, ho resy ihany ny mino raha miambina fotsiny kanefa tsy mba mivavaka akory. Ny vavaka dia fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny fotoana hiambenana. Fanovozana hery ihany koa mba hahafahana miambina tsara ka tsy ho variana. Tsy ho mora ny miady amin’ny torimaso, tsy zavatra mora ny miaritra ny mety ho hirifirin’ny alina raha kely vavaka, na ratsy fifandraisana amin’Andriamanitra ny mino.

  1. Amin’ny hery omen’Andriamanitra

« mba hahery ianareo »

Ilay vavaka, ilay fahatsaram-pifandraisana amin’Andriamanitra dia tena hisy vokany tokoa. Hahazo hery izay mahery amin’ny vavaka, mahery amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia hahatonga hery sy tanjaka mandrakariva ho an’izay manao izany. Izay akaikin’Andriamanitra no ho tsara tohana, hahazo hery satria tena manovo hery amin’Andriamanitra tokoa. Ho resin’ny tahotra sy tebiteby ny mino raha tsy noho ny hery omen’Andriamanitra azy.

  1. Amin’ny fanatonana an’i Jesoa

« ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona »

Mazava be eto fa izay mahery dia hahavita handositra ny faharatsiana, ary rehefa mandositra ny faharatsiana dia mila manatona an’i Jesoa. Ilay fanatonana an’i Jesoa no hevitr’ilay hoe mitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona. Mbola ho reraka sy ho kivy mandrakariva, ho reraka noho ny vesatry ny zava-dratsy eto amin’izao tontolo izao. Eo anatrehan’izao zava-manahirana misy eto amin’izao tontolo izao dia zava-dehibe ny vavaka izay mampifandray amin’Andriamanitra ka hanovozana hery avy Aminy ary hanatonana an’i Jesoa Zanany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.