Mofon’aina – ALATSINAINY 29 MAY 2017

1 Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.2 Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany.5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.8 Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.13 Koa amin’ izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
MATIO 25 :1-13

Mbola  natao   ho an’ny kristiana  ve ny Didy  folo nomen’ Andriamanitra  izay efa  naharitra 3500 taona  izao ? Fa  velona  sy mahery  ny Tenin’ Andriamanitra , teny miaina  amin’ny taona rehetra  mifandimby  ny Baiboly ary tena  sahaza  mandraka izao  ny fanambarana  rehetra ao .

1-Mitomboa  amin’ny fahalalana Tenin’ Andriamanitra 

« Ary ny hendry kosa nitondra solika  tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany »  (and 4). Ny solika fitaiza dia azo hanoharana ny Tenin’ Andriamanitra  noraisina sy notehirizina hiatrehana ny  fiainana. Sady  nanana fitondrana solika  no nanana solika   tamin’ny fanalany ny virjina hendry eto. Tsy ampy velively izany ny mihaino  toriteny isak’ alahady fotsiny fa tokony handray izany koa isanandro ny mpino  rehetra  mba hivelomany, mba hirehitra ny jirony.

2-Mahareta amin’ny finoana  an’i Jesoa Tompo 

« Ary raha naharitra  ela ny mpampakatra dia samy  rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory  » (and 5). Raha  tsy nisy antso  dia tavela teo ireo virjiny rehetra. Tsy maintsy manezaka  mafy hatrany ny mpiantso mba hamoha  ireo matory  tahaka izao. Tokony haharitra miaraka amin’ny mpiantso ny antsoina hiatrika fampakarambadin’ny zanakondry, dia isika  rehetra izany. Ireo virjiny adala dia lasa nividy solika  tamin’ny fotoana fitsenana ny mpampakatra. Rehefa maharitra  amin’ny finoana isika  dia tsy mivily saina amam-panahy.

Fanontaniana:

Inona no refy ahalalanao ny fitomboanao sy ny faharetanao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !