MOFON’AINA ALATSINAINY 29 OKTOBRA 2018

38 Ary hoy Izy amin’ ny fampianarany: Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain’ olona eny an-tsena,39 ary tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin’ ny fanasana,40 ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
MARKA 12 : 38-40

NY FOMBA MIFANARAKA AMIN’NY FINOANA

1- Tsy amin’ny endrika ivelany

Mampitandrina indray i Jesoa fa tsy mety ny fomban’ireo mpanora-dalàna satria miseho ivelany amin’ny fiakanjoana sy miandry ho arahabaina, ary mitady fitoerana aloha ao amin’ny Synagoga. Ny finoana iainana dia mampanetry tena sy mampandray andraikitra ao amin’ny Tompo. Izay hitarihin’ny Tompo no hankatoavina sy lalaina. Na tsy misy mahita sy tsy misy mahatsikaritra aza dia manompo tsara hatrany satria hatao amin’Andriamanitra ny asa izay hatao. Mianatra amin’i Jesoa isika fa Izy namela fianarana ho antsika ao amin’ny Teniny.

2- Tsy amin’nv fanambakana

Tsy mandray karama ireo mpanora-dalàna ireo fa niantohan’ireo mpino jiosy kosa hany ka nalaim-panahy hanambaka sy hametsifetsy azy ireo sy ny fananany no nataony. Fantatry ny Tompo izany fanao tsy rariny izany ka mampitandrina Izy. Na ny mpitondratena na ny manan- karena dia samy nohararaotin’ireo mpanora-dalàna ireo tamin’izany. Koa halaviro ny toe-panahy tsy mifanaraka amin’ny finoana an’Andriamanitra : « Aza manambaka ». Mitady mpanompo mahatoky amin’ny asa sy ny andraikitra nomena azy ny Tompo.

Fanontaniana:
Inona no fomba tsara vokatry ny finoana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !