Mofon’aina – Alatsinainy 30 janoary 2017

1 Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny2 nanao hoe:3 Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!4 Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.6 Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ ny andron’ ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ ny isan’ ny volana;7 Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;8 Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;9 Aoka ho maizina ny kintan’ ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ ny maraina izy,10 Satria tsy nanidy ny varavaran’ ny kibon’ ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ ny masoko.11 Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?12 Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?13 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,14 Teo amin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava,15 Na teo amin’ ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;16 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.17 Any no itsaharan’ ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;18 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon’ ny mpampiasa izy.19 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin’ ny tompony.20 Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’ izay latsaka amin’ ny fangidiana?21 Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:22 Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,23 Dia olona izay mandeha ao amin’ ny maizina sady voafefin’ Andriamanitra manodidina.24 Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;25 Fa izay atahorako no mahazo ahy, Ary izay angovitako no manjo ahy.26 Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
JOBA 3 : 1-26

OLOMBELONA NOFO SY RA

1.Nahatsiaro fanaintainana.

Nanozona ny androny i Joba satria nahatsiaro fanaintainana mafy loatra izy. Ny vatany mihitsy mantsy no voatohintohina, nisy vay hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia (2. 7). Ny antony lehibe nahatonga azy hanao izany diany fahatsapany fa toa nandao azy Andriamanitra. Ahatsiarovana indray izay nihatra tamin’i Jesoa Kristy rehefa teo ambony hazofijaliana Izy ka niantso mafy hoe : « Andriamanitra ô ! Andriamanitraô !Nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ? » (Matio 27. 46). Toe-po mety mahazo ny olombelona rehetra izany fa na i Davida koa aza matetika dia nahatsapa ny fisehoan-javatra tahaka izany rehefa niharan’ny zava-manjo mafy. Toa tsy nahita mangirana ny amin’ny androny manontolo sy ny fahavelomany rehetra i Joba.

2.Tsy nanohitra an’Andriamanitra.

Marihina manokana anefa fa tamin’izany rehetra izany dia tsy nanozona na nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy i Joba. Nahatandrina tsara ny zavatra rehetra nambarany izy. Tsy diso mihitsy araka izany ny maneho amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ny ao am-pontsika indrindra rehefa tojo zava-tsarotra tahaka izao mahazo an’i Joba izao. Ny tena fadiana dia ny manome tsiny an’Andriamanitra. Izany no tena notandreman’i Joba fatratra.
3.Fialan-tsasatra ny fahafatesana.

Ambaran’i Joba eto fa toerana fialan-tsasatra ny fasana (13) misy fiadanana mihitsy aza. Ka izany no efa niriany manoloana izao fahoriana tsy roa aman-tany izao. Ny Apostoly Paoly dia nilaza ny fahafatesana ho tombony ho azy satria làlana handehanany any amin’ny Rainy izany ka hoy izy: « Fa Kristy no anton’ny hahavelomako ary ny fahafatesana no hahazoako tombony » (Filipianina 1. 21).

Fampieritreretana.

Inona no masaka ao an-tsainao rehefa sendra ny zava-manjo mafy ka efa hila hihatra aman’aina izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !