MOFON’AINA ALATSINAINY 31 OKTOBRA 2022

4Ary ny mpanjaka nandidy an’i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’i Bala sy Astarta ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra hiala amin’ny tempolin’i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema teny amin’ny saha amoron’i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony. 5Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ny mpanjakan’ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ny fitoerana avo tany amin’ny tanànan’ny Joda sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ny volana sy ny kintana amin’ny Zodiaka ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra. 6Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ny tranon’i Jehovah ho any ivelan’i Jerosalema, ao amin’ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ny fasam-bahoaka. 7Ary noravany ny tranon’ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin’ny tranon’i Jehovah, dia ireo nanenoman’ny vehivavy lay ho an’i Astarta. 8Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin’ny tanànan’ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan’ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin’ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ny vavahadin’i Josoa, komandin’ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin’ny vavahadin’ny tanana. 9Fa ny mpisorona tamin’ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin’ny alitaran’i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin’ny rahalahiny ihany izy. 10Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an’i Moloka intsony. 11Ary ny soavaly izay nohamasinin’ireo mpanjakan’ny Joda ho an’ny masoandro ka nataony teo amin’ny fidirana ho ao an-tranon’i Jehovah, teo akaikin’ny efi-tranon’i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ny masoandro nodorany tamin’ny afo. 12Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin’ny tranon’i Ahaza, izay nataon’ireo mpanjakan’ny Joda, sy ny alitara izay nataon’i Manase tao anatin’ny kianja roa tamin’ny tranon’i Jehovah, dia noravan’ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony. 13Ary nolotoin’ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan’i Jerosalema, teo amin’ny ankavanan’ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely, ho an’i Astarta, fa havetavetan’ny Sidoniana, sy ho an’i Kemosy, fahavetavetan’i Moaba, ary ho an’i Milkoma, fahavetavetan’ny taranak’i Amona. 14Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan’olona ny nitoerany. 15Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.II MPANJAKA 23:4-15

Ny fahasahian’i Josia mpanjaka hanapaka tarangana ny fanompoan-tsampy sy ny fahavononany hanarina indray ny fivavahana amin’i Jehovah no vontoarin’ny Mofonaina anio. Mampianatra antsika indrindra izany mba hitandro ny fahamasinan’ny tempolin’Andriamanitra ka :

1-Hanongotra ny haratsiana (and 4)

Voalaza eto fa nandidy ny mpanjaka mba « hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ny bala sy astarta …ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema … » Mampiharihary amintsika izany fa tsy navela hanana toerana intsony ny faharatsiana sy ny fanompoan-tsampy rehetra na izay forongony mifamatotra aminy , satria masina ho an’Andriamanitra ny Tempoliny (voatokana).Tsy ireo ihany fa raha manohy mamaky isika dia hahita fa ny and 6-15 dia mitantara ny nandotoan’i Josia sy ny nanorotoroany ny sampy rehetra .Rehefa tapa-kevitra hanompo an’Andriamanitra ary dia ialao avokoa ny fanao ratsy taloha fa ireny no « siny hoditra tonta » , tsy azo asiana « divay vaovao » (Mat 9 :17) , hoy ny fampianaran’i Jesoa.

2-Hampitsahatra izay tsy mendrika (and 5)

« Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ny andriamanitsi-izy … » hoy ihany ny fitantarana eto , izany hoe : tsy nisalasalan’i Josia mihitsy ny nampitsahatra tamin’ny andraiky ireo maniratsira sy mitaona ny olona ho amin’ny fahotana na dia notendren’ny mpanjaka nodimbiasany aza ireny .Tsy mba nana-tahotra izy .I Jesoa dia nanindry mafy ny maha-fanasina ny mpino , fa raha tonga matsatso , inona indray no hahasira azy ? (Mat 5 :13). Ny Fiangonana ihany koa dia tsy tokony ho mati-kenamaso handray fanapahan-kevitra amin’izay mitarika ny olona ho amin’ny làlan-diso na amin’ny fitondran-tenany na amin’ny fomba fiasany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.