MOFON’AINA ASABOTSY 11 APRILY 2020

1Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona teo amin’ny tany Egypta ka nanao hoe: 2. Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona ho anareo izy. 3. Mitenena ianareo amin’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ondry iray avy no ho an’ny isan-trano; 4. ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ondry. 5. Zanak’ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izy; 6. ary hotehirizinareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ity volana ity; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. 7. Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy. 8. Dia hohaniny amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanany azy mbamin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy. 9. Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izy, fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. 10. Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahiny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ny afo. 11. Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’i Jehovah. 12. Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ny tany Egypta hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. 13. Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
EKSODOSY 12 :1-13

NY FIVOAHANA TANY EGYPTA FIALANA TAMIN’NY FANANDEVOZANA

Fitantarana ny loza faha-10 izay loza farany nataon’Andriamanitra tamin’ny Egyptianina izao mofonaina izao. Rehefa ringana avokoa ny matoa rehetra na tamin’ny olona na tamin’ny biby dia navelan’i farao handeha ny zanak’isiraely. Tsy misy na iza na iza afaka mihazona amin’ny fanandevozana ny vahoaka antsoiny hanompo an’Andriamanitra. Ireto no hafatra ho antsika

Ny fivoahana tany Egypta dia nanehoana

  1. Fifampitsinjovana (and 4)

« ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ondry »

Ity toromarika ny amin’ny hifanatonan’ny tokantrano ity dia fampianaran’ny Tompo ny amin’ny fahaiza-mifampitsinjo. Mba tsy hahavery loatra ny sakafo, mba tsy hahabe ny very raha tsy lany dia tsara ny mifanatona miara-mihinana. Mety misy koa tsy manana fahafaha-manao loatra ka mety haharingana azy ireo ny tsy fisian’ny rà amin’ny tolana. Noho izany dia tena fiarovana ny hafa tsy ho ringana ny fiaraha-mihinana ao an-tokantrano iray. Zava-dehibe ny fahaiza-mifampitsinjo, indrindra zanak’isiraely hiara-hamakivaky efitra raha ho any amin’ny tany kanana. Zava-dehibe koa ny fahaiza-mizara mba ho enti-miaro ny namana amin’ny fandringanana.

Eo anatrehan’ity areti-mandringana ity dia mampianatra antsika hahay hifampitsinjo ny Tenin’Andriamanitra, jereo izay mila fanampiana, aza avela ho faty noana noho tsy fahafaha-manoatra. Tsinjovy ny manodidina indrindra amin’izao andro fety izao. Zarao izay tombom-pahasoavana nomen’ny Tompo sao sanatria BE DIA BE NY HO FATY TSY NOHO NY ARETINA FA NOHO HANOANANA SATRIA TSY NIHINANA ARA-DALANA.

  1. Fankatoavana (and 13)

« Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho »

Nomeny ny toromarika hoe tsy maintsy asiana rà avokoa ny tolanam-baravarana. Koa rehefa ho avy ny mpandringana dia handalo izy fa tsy handringana. Nahoana tokoa moa no handalo izy? Ilay rà hitany eo amin’ny tolana dia milaza aminy fa efa nisy maty tao amin’io tokantrano io, efa maty ilay zanak’ondrin’ny paska ka tsy tokony hiditra handringana intsony izy. Na iza na iza nankato io toromarika io dia voaaro tamin’ny fandringanana sy ny loza. Na iza na iza kosa tsy nanaraka dia naringana.Ny fankatoavana ny toromariky ny Tompo, ny fankatoavana ny teniny dia miaro amin’ny loza sy ny fandringanana.

Jesoa no tena zanak’ondrin’ny paska. Na iza na iza mino Azy, nandray Azy ho mpamonjy ny fiainany, Izy ilay efa maty ka ny ràny no miaro amin’ny loza sy ny fandringanana ho avy koa. Mahery ny ràn’i Jesoa maaro amin’ny Fahatezeran’Andriamanitra. Sambatra isika Kristianina mivavaka Aminy sy mino Azy. Be dia be ny olona anie mivavaka kanefa tsy mino Azy, fotoana sy hery very maina izany fivavahana izany, tsy misy afaka mba miaro amin’ny Fahatezeran’Andriamanitra izy ireny. Handeha hivavaka ho azy ireny isika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.