Mofon’aina – Asabotsy 18 febroary 2017

11 Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.12 Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?13 Ary tsy any an-dafin’ ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin’ ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?14 Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
DEOTERONOMIA 30 :11-14

MIFIDIANA NY FIAINANA

Tsy isika no nanao ezaka hitadiavana famonjena, tsy avy amin’ny fahatakaran’ny saintsika no nahalalantsika an’ Andriamanitra fa Izy no nanatona noho ny fitiavany hanome fiainana ho antsika. Izany no fanekem-pihavanana nataon’ Andriamanitra ho antsika ka nilazany hoe:

1-Eo akaikinao ny teny

Tsy ilaina intsony ny miakatra any an-danitra ho fitadiavana Azy, na ny midina lalina mba hamohazana Azy. Tonga teto an-tany Kristy, ary izany no vavolombelon’ny fanekem-pihavanana izay nataony .Tanteraka ny famonjena tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Izay andrasana amintsika dia ny hinoantsika fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy. Izany no hany làlana tokana hahazoana ny fiainana.

2-Eo am-bavanao sy ao am-ponao mba harahinao

Mialohan’ny hidiran’ny Zanak’Israely ho any amin’ny tany Kanana no nandraisany izao hafatra izao, mba ho famerenana aminy fa efa nampahafantarina azy ireo ny didy sy ny lalàna izay hotandremany. Tsy hisy intsony hanao fialan-tsiny toy ny hoe: « mbola tsy nandre izany izahay »…sns. Miankina betsaka amin’izay safidiny ny ho aviny, na ho fahafatesana na ho fiainana. Eo am-panomanana ny ho avy isika ankehitriny. Ankatoavy ny Tenin’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Mpankato ny tenin’ Andriamanitra ve ianao sa mpihaino fotsiny ihany ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !