Mofon’aina – Sabotsy 07 janoary 2017

33 Nefa ny famindrampoko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain’ ny molotro tsy hovako.35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ ny fahamasinako, Tsy handainga amin’ i Davida mihitsy Aho:36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra
SALAMO 89 :33-37

MAHATOKY AMIN’IZAY AMBARANY NY TOMPO

Manamafy ny fanekena nataon’ny Tompo tamin’i Davida mpanjaka ao amin’ny 2 Sam7 ity salamo ity.

1-Sanatria raha handainga na hivadika Izy

Misy fomba aman-toetra entin’ Andriamanitra mifandray amin’izay olona nofidiny voalaza eto. Ny famindrampony sy ny fahamarinany (and.33). Mafy orina, tsy azo ravana ny fifandraisany sy fifamatorany amin’izay olona nofidiny amin’ireo toetrany sy fombany ireo .Ny fivadibadiky ny tantara ka ifamahafahon’ny olana sy ny zava-manahirana tahaka izay niseho teo amin’ny tantaran’Israely dia samy tsy mahafoana ny teny nataony tamin’i Davida. Toy izany koa izy amintsika fa matokia. Na dia miseho sy mitranga aza ny toe-javatra mampivarahontsana indraindray dia matokia. Sanatria raha handainga amin’ny teny fanomezan-toky nataony tamintsika ny Tompo .

2-Marina sy tsy miova ny teniny

« Ary ny nolazain’ny molotro tsy hovako » (and.34). Ilazana ny Tenin’ Andriamanitra izay nambarany tamintsika koa izany , tahaka izay nolazainy tamin’ i Davida , tamin’ i Natana Mpaminany . Tsy miova amin’izay lazainy ny Tompo. Mafy orina ny teniny. Mahatoky amin’ny teniny Izy, ary izany no iorenan’ny fanantenantsika .Tsarovy ny teny nambarany ary minoa ka manàna fanantenana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !