Mofon’aina – SABOTSY 08 APRILY 2017

5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ ny vavolombelona tany an-danitra;6 ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.7 Ary ny anankiray tamin’ ny zava-manan-aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran’ Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay.8 Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin’ ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ ny anjely fito.
APOKALYPSY 15 :5-8

MITOKANA  NY TEMPOLINY  ANDRIAMANITRA

1-Manokatra  ny tempoly  any an-danitra Andriamanitra

Fahefan’ Andriamanitra irery  no  mampakatra  ny tempoly  any an-danitra. Tsy miankina  amin’ny fahatsaran’ny olona  ny fisokafan’ny lanitra  fa fahefan’ny Tompo  irery ihany. Efa any an-danitra  ilay tabernakely  fitoeran’ny didy folo  tamin’ny fahababoana  nankany Babylona (and 5). Manambara  ny fitsaran’ Andriamanitra  ny fisokafan’ny tempoly  any an-danitra. Hita  ao an-danitra  ny anjely, mpanatanteraka  ny iraky ny Tompo sy ny fitsaran’ Andriamanitra.

2-Feno  ny voninahitra  sy ny hery ny tempoly

Tahaka ny nitokanana ny tempoly  nataon’i Solomona  no hanehoana  ny fitokanana ny tempolin’ Andriamanitra   any an-danitra (1 Mpanj 8.10). Feno setroka  avy  amin’ny Voninahitr’  i Jehovah  sy ny heriny  (and 8). Amin’ny fitsarana farany   ataon’ Andriamanitra  dia  tsy hisy olona afaka handositra intsony, eny fa na dia hitady an’ Andriamanitra aza.Tsy azo hidirana intsony ny tempoly. Tsy misy ifandraisana amin’ny Tsitoha intsony   izay tsy mino Azy. Mikatona tanteraka ho an’ny tsy mino an’i Jesoa Kristy ny lanitra  (and 8) ary tanteraka ny loza nanjo  nentinn’ny anjely fito . Voafetra  ny fotoanan’ny olombelona ety an-tany  ka samia manolo-tena  ho an’i Kristy. Mampahery ny mino ihany koa izany  mba tsy ho kivy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy, ka haharitra   amin’ny fitsapana sy ny fizahan-toetra.

Fanontaniana:

Ahoana  ny endrika  ifandraisanareo mianakavy  amin’i Jesoa Kristy Tompontsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !