MOFON’AINA SABOTSY 18 SEPTAMBRA 2021

1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino hianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.3 Ary hoy Paoly: Ho amin’ inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ ny batisan’ i Jaona.4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ ny fibebahana ka nilaza tamin’ ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesoa.5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ ny anaran’ i Jesoa Tompo.6 Ary rehefa nametrahan’ i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ ny teny tsy fantatra izy sady naminany.7 Ary tokony ho roa ambin’ ny folo lahy no isan’ izy rehetra.
ASAN’NY APOSTOLY 19 :1-7

1-Ny mpino sy ny Fanahy Masina

Ambaran’I Paoly eto fa miaraka mandrakariva amin’ny maha mpino kristiana ny fahafantarana sy ny fananana ny Fanahy Masina. Voalaza eto hoe misy olona maromaro, 12 eo ho eo ny isany milaza tena ho mpianatr’I Jaona mpanao batisa. Amin’ny maha mpianatr’I Jaona azy ireo dia ny efa natao batisa izy ireo ary ny batisan’I Jaona ihany no fantany. Ny batisan’I Jaona moa dia batisan’ny fibebahana no ilazana azy. Manamafy kosa anefa I Paoly eto fa marika hahafantarana ny mpino ary hery ho azy rahateo indrindra koa ny fananana ny Fanahy Masina, noho izany nanontany izy hoe ianareo izay efa natao batisa ve efa nandray ny Fanahy Masina koa? Hita eto fa « tsia » no valiny. Ekena fa isika ankehitriny dia tsy nisy niara-niaina tamin’I Jaona ary tsy nisy nataony batisa koa raha anontaniana tahaka ireto mpianatra ireto koa ianao hoe efa nandray ny Fanahy Masina ve dia inona no havalinao izany? Raha araka an’I Paoly mantsy dia miaraka amin’ny mpino hatrany ny fananana Fanahy Masina. Ahoana ary izany no hahazoana antoka fa manana ny Fanahy Masina ny mpino iray?

2-Andraisana ny Fanahy Masina ny batisa miampy ny fametrahan-tanana

Nametrahan’I Paoly tanana ireto olona ireto ary niaraka tamin’izay dia voalaza fa nandray ny Fanahy Masina izy ireo. Ny fiangonana kristiana( FPMA ; FLM ; FJKM) misy antsika dia manao batisa ny olona rehetra izay manatona ho amin’izany ary ny batisa ataon’ny fiangonana dia efa handraisan’ny olona izany Fanahy Masina izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.