MOFON’AINA SABOTSY 2 JOLAY 2022

20 Dia niala teo anatrehan’i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra. 21 Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina. 22 Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’i Jehovah. 23 Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’osy sy hoditr’ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy. 24 Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an’i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ny fanompoana dia nitondra azy. 25 Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin’ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika. 26 Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin’ny fony tamin’ny fahendrena dia namoly ny volon’osy. 27 Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ny efoda sy ho amin’ny saron-tratra, 28 ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ny diloilo fanosorana ary ho amin’ny ditin-kazo mani-pofona. 29 Ary ny Zanak’Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an’i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy hatao.EKSODOSY 35:20-29

Mitaona antsika ny mofonaina anio mba :

1-Hahafoy araka izay ananantsika ho an’Andriamanitra (and 20-24)

« Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony ary izay rehetra namporisihan’ny fanahiny , ka nitondra fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny trano lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina « . Tantaraina amintsika eto fa tsy nisy vonona hanolotra ho an’Andriamanitra ny olona hanaovana ny tranolay fihaonana, izay heverina fa itoeran’Andriamanitra .Voambolana miverina matetika eo ny hoe : « namporisihan’ny fony » na « nampahazotoin’ny fony » izay maneho fa am-pitiavana tsy misy teritery no nanoloran’ny olona ho an’Andriamanitra , satria mahatsiaro izy ireo fa lehibe ny fitiavana sy ny famonjena antsika hatraiza ary ny fahasahiantsika manolotra ho an’ny tranon’Andriamanitra . Sahia àry manolotra ny tsara indrindra , ny sarobidy indrindra hanaovana ny asan’Andriamanitra amin’ny sehatra misy anao.

2-Hiasa ho an’Andriamanitra (and 25)

Tsy ny fanomezana ihany no hitantsika taratra eto fa ny fahafoizan-tena ihany koa , ary tena sarobidy izany . Hita eto fa ny vehivavy voalaza fa hendry dia nisy « namoly tamin’ny tànany« .Izany hoe : tsy natao ho an’izay manam-bola na fitaovana hatolotra ihany ny fahafoizana ho an’Andriamanitra fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ihany koa dia tena zava-dehibe. Aoka tsy ho diso hevitra àry isika ka hoe : ny vola atolotra fa ny tena tsy omena. Jereo i Jesoa, ny tenany no natolony.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.