MOFON’AINA SABOTSY 25 JONA 2022

1Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin’ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana. 2Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? 3Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. 4Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy. 5Ary ny anankiray tamin’ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. 6Ary hitako fa, indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’aina efatra ary teo afovoan’ny loholona dia nisy Zanak’ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina hankany amin’ny tany rehetra. 7Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan’ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana. 8Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan’ny Zanak’ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ny olona masina izany. 9Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; 10Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin’ny tany izy. 11Ary nahita aho sady nandre feon’anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, 12nanao tamin’ny feo mahery hoe: Ny Zanak’ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. 13Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ny tany sy any ambanin’ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. 14Ary ny zava-manan’aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.APOKALIPSY 5:1-14

1- Liona :

Eo amin’ny and.5 dia voalaza hoe: indro ny Liona avy amin’ny fanjakan’i Joda. Ny Liona dia entina maneho ny Mpanjakan’ny biby. Ka ilay Mpanjaka feno hery sy fahefana amin’ny toerana izay tapahiny. Oharina amin’ny Liona mpanjaka i Kristy sy ny fahefany amin’izany. Ary amin’ny voahary manontolo dia izy no noheverina sy ninoana fa matanjaka indrindra.

2- Zanak’ondry :

Ny Zanak’ondry no tena anarana namantarana an’i Jesoa raha manatanteraka ny asa famonjena Izy. Amin’izany dia Zanak’ondry tsy misy kilema no anambarana azy indraindray, Zanak’ondry na mora ilazana ny fahatanterahan’ny sorona nataony ho fanavotany antsika olombelona mpanota. Ka amin’izany dia mby ao an tsaina ilay fanati-panavotrana tsy manam-paharoa notanterahiny indray mandeha monja teo amin’ny hazo fijaliana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.