MOFON’AINA TALATA 01 OKTOBRA 2019

1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany? 2 Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan’ny fasan-dRahely, ao amin’ny fari-tanin’ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ny zanako? 3 Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin’ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ny olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak’osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara*; [Na: siny hoditra] 4 ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin’ny tànany izany. 5 Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan’ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin’ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo. 6 Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao. 7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao. 8 Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao. 9 Ary raha vao nihodina niala tamin’i Samoela izy, dia nomen’Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo. 10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
1 SAMOELA 10 : 1-10

NY ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY FIANGONANA

Izao mofonaina izao dia mitantara amintsika ny nanosoran’i Samoela diloilo an’i Saoly ka maneho ny maha-mpanjakan’ny Isiraely azy. Mitantara amintsika koa anefa izao mofonaina izao ny asan’ny Fanahy Masina teo amin’ny Saoly. Izany asan’ny Fanahy Masina teo amin’ny Saoly izany no mbola asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiangonana. Koa ny fahaizana izany dia manampy antsika be be kokoa mahakasika ny PNEUMATOLOGIE na ny fianarana sy ny fandalinana manokana ny amin’ny Fanahy Masina. Ny asan’ny Fanahy Masina dia

  1. Mitoetra ao amin’ny olona (and 6)

« Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’i Jehovah »

Ny Baiboly teny Frantsay dia mandika izao andinina izao amin’ny hoe: « le Saint Esprit te saisira ». Ny hoe hilatsaka dia adika ihany koa amin’ny hoe hiditra, honina, hipetraka, hitoetra. Fa raha jerena manokana ny teny Frantsay dia somary hafa kokoa ny heviny satria SAISIR no teny ampiasainy. Izany hoe toy ny maka an-keriny ny toerana rehetra ao anatin’ny olona no tian-kambara eto. Asan’ny Fanahy Masina ny miditra ao amin’ny olona. Anisan’izay hahafantarana ny Fanahy Masina ny fitoerany ao anatin’ny olona. Andriamanitra monina ao amin’ny olona arak’izany ny Fanahy Masina.

  1. Mampiteny ny olona (and 6)

« ka hiara-maminany aminy ianao »

Anisan’ny azo andikana ny teny hoe maminany ny hoe miteny amin’ny anaran’ny Tompo, mitondra ny hafatry ny Tompo. Izany no mahatonga ny mpaminany lazaina ihany koa hoe iraka mpitondra hafatry ny Tompo. Eto dia mazava fa rehefa manana ny Fanahy Masina ny olona iray dia ampiasain’ny Fanahy Masina izy. Hampiasainy haminany. Koa tsy misy na iza na iza arak’izao tsy ho afaka maminany raha tsy manana ny Fanahy Masina, raha tsy iasan’ny Fanahy Masina izy. Eto koa dia mahafinaritra ny mahita fa mahatonga fiombonana ny Fanahy Masina, hoy mantsy ny Soratra Masina eto hoe: « HIARA-HAMINANY ». Andraikitra iombonana izany, asa mampiombona izany.

  1. Manavao ny olona (and 6)

« dia ho voaova ho olom-baovao »

Rehefa manana ny Fanahy Masina arak’izany ny olona dia hiasa ao aminy izany Fanahy Masina izany ka tsy hoe hampiasa azy fotsiny fa tena hiasa ao aminy mihitsy. Mazava tsara eto fa manova ho olom-baovao ny Fanahy Masina. Izany hoe mamono ilay adama ela tao aminy ka mamerina azy amin’izay naharian’Andriamanitra azy hatramin’ny voalohany. Fanahy Mpanavao rahateo no iantsoan’ny mpamoron-kira protestanta Malagasy Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.