Mofon’aina – TALATA 02 JANOARY 2018

35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.36 Ary rehefa nampodin’ ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’ io sambokely io tamin’ izao ihany Jesoa. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.38 Ary Jesoa natory teo am-bodin’ ny sambokely tambonin’ ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
MARKA 4 :35-41

NY NAMPITSAHARAN’I JESOA NY TAFIO-DRIVOTRA DIA MAMPISEHO AMINTSIKA FA :

1-Masimandidy  amin’ny zava-boahary ny Tompo

Ny trangam-piainana  nolalovan’i Jesoa niaraka tamin’ny mpianany  dia nampitany hatrany  ny heriny sy ny fahefany. Ary izany dia nokendreny mba hampiorenana ny finoan’izy ireo .Zavatra fahita amin’ny mpandeha  eny amin’ny ranomasina ny fisian’ny tafio-drivotra, asan’ny tànan’ Andriamanitra. Voalaza eto fa nahery tokoa izany ka nisy fiatraikany tamin’ny sambokely nisy ireto mpandeha ireto .Rehefa notenenin’ny Tompo anefa izany tafiodrivotra izany, toy ny olona manan-tsofina, izay  afaka mihaino sy mandre feo, avy dia nanaiky niaraka tamin’izay  ny teny mafy nataon’ny Tompo ny rivotra. Izany no manambara fa :

2-Feno fahefana ny Tenin’ny Tompo

Tsy tahaka ny tenin’olona  fa hafa mihitsy ny Tenin’i Jesoa ,satria misy fahefana izany amin’izay iantefany .Tsy nisy fitaovana  na fombafomba nentina nampitony ny fisamboaravoaran’ny tafio-drivotra fa tamin’ny alalan’ny Teny naloaky ny vavany : « mangina , mitsahara » (and39) , indray mandeha monja , tsy naverimberina , fa teo no eo dia nitony ny rivotra , nivaha ny olana . Feno fahefana ny Tenin’ny Tompo. Azo ambara fa fahabangana be no eo amin’ny fiainan’ny olona tsy manana ny Tenin’ Andriamanitra, fa harem-pahasoavana tsy lany laniana kosa no tovozin’izay mihaino, mamaky , miaina sy mivelona amin’ny Tenin’ Andriamanitra isanandro  ao amin’ny Soratra masina .Raha hamakivaky ity taona vaovao ity ianao , ny ankohonanao , ny fiangonana misy aminao , aoka ho Tompo-marika amin’izay kasaina hatao rehetra ny Tenin’ Andriamanitra. Fa voasoratra hoe : « Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny Teninao » (Sal 119 :105)

Fieritreritra :

Aoka ho mpanolo-tsaina anao mihoatra noho ny tolo-tsaina omen’ny olona ny Tenin’ Andriamanitra mandritra ity taona ity sy amin’ny fiainanao manontolo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !