MOFON’AINA TALATA 03 DESAMBRA 2019

21 Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ny soa aminao. 22 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany, Ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. 23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, Eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka. 24 Ario eny amin’ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, Eny, ario eny amin’ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira; 25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra [Na: tsara, na azo amin’ny fisasarana.] ho anao.
JOBA 22 :21-25

MAMPIADANA NY FIFANKAZARANA AMIN’ANDRIAMANITRA

Samy mahalala ny tantaran’i Joba isika rehetra ry havana. Lehilahy ambaran’ny Tompo fa marina izy, ary noho io fahamarinany io no nahatonga azy nosedrain’i satana. Na dia mafy taminy aza ny fisedrana dia ambaran’ny Soratra Masina fa tsy mba niala tamin’Andriamanitra izy. Tao anatin’ny fahoriana Joba no nitenenan’i Elifaza namany hoe mifankazara amin’ny Tsitoha dia hiadana. Midika izany fa ny fifankahazarana amin’Andriamanitra no mampiadana. Ny hoe mifankahazatra amin’Andriamanitra dia azo adika hoe tsara fifandraisana amin’Andriamanitra, ny olona mahazatra mantsy dia olona tsy vahiny firy intsony, olona mifanerasera andro aman’alina. Olona efa tena mifankahazo tsara. Taomin’i Elifaza ho amin’izany fifandraisana velona amin’ny Tompo izany Joba. Ireto no endriky ny fifankahazarana amin’ny Tsitoha araka ny toromarik’i Elifaza

  1. Mandray ny tenin’Andriamanitra (and 22)

DIEM « mbola raiso ny fampianarana omeny anao ary alatsaho ao am-ponao ny teniny »

Ny fiadanana dia tsy misaraka amin’ny tenin’Andriamanitra. Ao amin’ny teniny Andriamanitra no manolotra sy manome fiadanana feno ny olony. Eto amin’izao mofonaina izao raha te hiverina amin’ny fiadanany Joba dia mila miverina amin’ny tenin’Andriamanitra izy. Mila mihaino indray an’Andriamanitra izy. Ary tsy vitan’ny hoe mihaino ihany fa tena mandray tsara ny teny ka mampiditra izany ao am-po. Ny tenin’Andriamanitra voaray ao am-po, na raha ny marina kokoa voatahiry ao am-po no manome fiadanana ny olona. Tsy misy arak’izao fiadanana azo antenaina raha tsy mifandray tsara amin’ny Tompo, mifankazatra tsara Aminy amin’ny alalan’ny teniny. Ny tombony ho antsika Kristianina Malagasy dia izao, efa voadika amin’ny teny azontsika vakiana tsara ny tenin’Andriamanitra, izay miantoka ny fiadanana.

  1. Mibebaka (and 23)

DIEM « miverena am-panetre-tena amin’Ilay Tsitoha, ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana »

Ny fiverenana amin’ny Tompo dia endriky ny fibebahana mandrakariva. Tsy ho afa-miverina amin’ny Tompo isika raha tsy amin’ny alalan’ny fibebahana irery ihany. Eto moa ilay fiverenana dia hamafisin’ny fialàna amin’ny ratsy sy ny tsy fahamarinana. Tsy afa-mifandray amin’ny Tompo izay mbola tavela sy tamana ao anatin’ny tsy fahamarinana rehetra. Tsy misy fiadanana raha toa ka mbola lavitra an’Andriamanitra ny mino, tsy misy fiadanana raha tsy manao ezaka manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana ny mino. Tsy misy fiadanana raha toa ka mbola ao an-dain’ny mino ny tsy fahamarinana. Fepetra hifankazarana amin’ny Tompo ny fibebahana, mahatsara fifandraisana Aminy io ka mahatonga fiadanana tokoa.

  1. Miankina amin’ny Tompo (and 24,25)

DIEM « ario amin’ny tany ny vongam-bolamenanao na avelao amin’ny vaton-driaka, fa Ilay Tsitoha no ho volamenanao sy ho volafotsy miavosa ho anao »

Ny volamena sy volafotsy dia endriky ny harena sy fananana. Matetika dia niankina tamin’ireny ny olona. Miantehitra amin’izany avokoa ny ankamaroan’ny olona. Eto amin’izao mofonaina izao dia Andriamanitra no asain’i Elifaza hianteherana sy hitokiana. Andriamanitra irery tokoa no tsy mamitaka, toky tena azo ianteherana amin’ny zavatra rehetra. Tsy mandiso fanantenana, ary tena maharitra mandrakizay. Mandalo sy miserana ihany mantsy ny harena eto amin’izao tontolo izao ka tsy dia azo itokiana loatra. Izay tena miankina tanteraka amin’ny Tompo no hiadana, izay zatra mametraka ny fiainany amin’ny Tompo ho mariky ny fifankahazarany Aminy no hiadana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.