Mofon’aina – Talata 03 janoary 2017

12 Ary nony ren’ i Jesoa fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ ny zara-tanin’ ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:15 Ny tanin’ ny Zebolona sy ny tanin’ ny Naftaly, Ao amin’ ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Galilia, tanin’ ny jentilisa,16 Ny olona izay nitoetra tao amin’ ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ ny fahazavana.17 Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesoa ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.18 Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Jesoa, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.19 Dia hoy Jesoa taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.20 Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.21 Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.22 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.23 Ary Jesoa nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.24 Ary niely eran’ i Syria ny lazany, ka dia nentin’ ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon’ ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin’ ny androbe ary ny mararin’ ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.25 Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin’ i Jordana.
MATIO 4 : 12-25

MANOMBOKA MIASA I JESOA

1.Miandry fotoana.

Toa niandry mihitsy ny fiafaran’ny asan’i Jaona i Jesoa vao nanomboka ny Azy. Ny hafatra nentiny anefa dia fanohizana ihany izay efa nambaran’i Jaona :
Fibebahana ! (17) Raha mba mahay miasa amin’ny fifamenoana toy izany koa mantsy isika mpanompon’ny Tompo amin’izao fotoana izao dia mba mety ho hitan’ny olona tokoa ny fifankatiavana eo amintsika. Endriky ny firaisana koa mantsy izany !

2.Miantso mpianatra.

Vao aty amin’ny fiantombohan’ny asa dia efa mitsinjo ny fitohizana sy ny faharetan’izany i Jesoa. Ankoatr’izay koa dia toa ampitainy amintsika fa « ny taon-trano tsy hefan’ny irery ». Inona tokoa moa no tsy ho hain’i Jesoa hatao na Izy irery aza saingy nisafidy ny hiara-hiasa tamin’ny hafa Izy.

Fanontaniana :

Inona no fanamarihana hitanao momba ireo olona nantsoin’i Jesoa ireo ?

3.Toriteny sa asa ?

Nifanindran-dąlana ireo ho an’i Jesoa. Fanafahana, fanasitranana… Ireo no asa hitantsika nataon’i Jesoa. Ny mampahery ihany koa dia ny fanamarihan’ny mpanoratra hoe : ny « rehetra » nentina teo Aminy dia nositraniny avokoa. Nanambara Jesoa fa izay mino Azy, ny asa ataony no ataony koa (Jaona 14. 12). Fa nahoana, araka ny fihevitrao, no tsy dia ahitana firy izao loatra intsony ny asa ataon’ny ankamaroan’ny kristianina amin’izao fotoana izao ? Izay manao asa toy izao no ahiahian’ny sasany ho tsy tena izy. Sao dia ny finoana no tsy ao ? Sa ve dia hilaza hoe tsy fotoanan’izany intsony izao ?

Saintsaino :

Jesoa nefa tsy niantso ny olona hoe avia fa aty dia hanan-karena ianao !

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !