Mofon’aina – TALATA 03 JOLAY 2018

14 Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran’ i Jesoa), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin’ ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.15 Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin’ ny mpaminany.16 Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.17 Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an’ i Jaona ka namatotra azy tao an-trano-maizina noho ny amin’ i Herodiasy vadin’ i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.18 Fa Jaona efa nilaza tamin’ i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin’ ny rahalahinao.19 Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.20 Fa Heroda natahotra an’ i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin’ ny hafaliana izy.
MARKA 6 :14-20

NY OLONA MARINA

Tantaran’i Jaona mpanao  Batisa  no hitantsika eto. I Jaona , ilay sahy  nilaza sy nanambara  hatrany  ny fahamarinana.

1-Misy  mpanenjika

Tsy nisalasala i Jaona mpanao batisa nananatra  an’i Heroda, fa  diso  izy  raha manambady an’i Herodiasy vadin’ny rahalahiny. Tsy faly  noho izany i Herodiasy ka nitady ny  fomba rehetra  hamonoana an’i Jaona mpanao batisa. Tanteraka tokoa izany faniriany izany. Tsarovy  fa tsy  mora  ny maneho ny fahamarinana. Misy hatrany  ny sokajin’olona  manohitra  ny marina, manenjika , eny  mikendry  mihitsy  aza ny hahafaty. Tsy  mahazaka  ny fahamarinana ny olona maro. Matokia anefa , aza matahotra  fa raha mijoro  hatrany  hilaza sy hanao  ny  marina isika dia Andriamanitra  no homba  sy hiaro  antsika . Tsarovy fa ny  marina tsy  ho resy.

2-Atahoran’ny  olona 

Na dia teo  aza ny fikasan’i Herodiasy  hahafaty an’i Jaona mpanao batisa dia feno tahotra ihany i Heroda ka nitady  ny fomba rehetra  hiarovana azy. Ny asa rehetra  nataon’i Jaona no nahatsapan’i Heroda fa olona marina sy masina izy. Natahotra an’i Jaona noho izany  i Heroda. Noho  izany  tahotra  izany no nahatonga an’i Heroda nihevitra fa i Jaona no nitsangana tamin’ny maty  ka manao  asa lehibe indraty rehefa nandre ny amin’i Jesoa izy. Miseho  amin’izany  fa ny olona marina dia tsy  maty  ao am-pon’ny olona hatrany  rehefa misy  to-javatra  mitranga  ao amin’ny fiaraha-monina. Mazotoa  manao ny  marina;

Fanontaniana:

Iza no olona manao  ny marina mba tsarovanao? Inona no fianarana raisinao avy aminy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !