MOFON’AINA TALATA 03 MARTSA 2020

1 Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; 2 ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa. 3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. 4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. 5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. 6 Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. 7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ny voalohany. Ny didy ela dia ilay teny efa renareo. 8 Ary koa, didy vaovao ny soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny. 9 Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany. 10 Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy. 11 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
1 JAONA 2 : 1-11

KRISTIANINA AO AMIN’ANDRIAMANITRA

Eo amin’ny and 6 amin’izao mofonaina izao Jaona Apostoly dia manambara mazava hoe: « Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa ». Izany hoe raha adika, izay ao amin’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mandeha tahaka izay nandehanan’i Jesoa Kristy. Fa raha ny marina koa, izay rehetra ao amin’i Jesoa Kristy no tafaverina ao amin’Andriamanitra. Fa Jesoa Kristy tokoa moa raha nandeha teto amin’izao tontolo izao dia ohatra ny ahoana? Ireto roa ireto no valiny azo omena miainga amin’izao mofonaina voalahatra anio izao

  1. Nitandrina ny didin’Andriamanitra (and 4)

« Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny »

Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia nitandrina ny didin’Andriamanitra Izy. Nanao ohatra halain-tahaka tamin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra Izy. Tamin’izay rehetra nataony, notenenina, nitondrany ny tenany dia hita soritra mandrakariva tamin’izany ny fitandremany ny didin’Andriamanitra.

Eto amin’izao mofonaina izao dia ambaran’i Jaona mazava tsara fa ao amin’ny olona Jesoa (Ilay Marina) raha toa ka efa mahatandrina ny didin’Andriamanitra izy. Raha mbola tsy mahatandrina ny didin’Andriamanitra ny olona dia mbola tsy ao aminy Jesoa. Ary raha ao amin’ny olona Jesoa, dia azo heverina fa efa tafaverina ao amin’Andriamanitra izy. Jesoa irery ihany no afaka miantoka ny fiverenana marina ao amin’Andriamanitra. Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra arak’izany no marika azo antoka hilazana ny maha-ao amin’Andriamanitra ny olona iray.

 

 

  1. Tia ny namany (and 10)

« Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy »
Anisan’izay nahafantarana an’i Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao Izy ny fitiavana ny hafa. Andriamanitra fitiavana ny Tompo ka hita sy tsapa tao amin’i Jesoa izany fitiavan’ny Tompo izany. Io fitiavan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa io no nitiavan’i Jesoa ny olona rehetra ka anisan’izay nampiavaka Azy.Raha manana an’io fitiavana ny hafa io isika dia azo ambara ihany koa fa ao amintsika Jesoa, na isika mitoetra ao amin’i Jesoa (mitoetra ao amin’ny mazava). Ity fitiava-namana ity dia porofo iray hanehoana ny fitandremana ny didin’Andriamanitra, koa izay tia ny namany dia sady tia an’Andriamanitra no tia namana koa. Rehefa tena be fitiavana isika dia azo ambara fa efa mitoetra tsara ao amin’i Jesoa ary Jesoa ao amintsika. Koa rehefa ao amin’i Jesoa isika dia izay ilay hoe tafaverina tsara ao amin’Andriamanitra isika.Azo atao tsara arak’izao ny miverina ao amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa. Zavatra roa no tsy maintsy atao amin’izany: mitandrina ny didin’Andriamanitra sy miezaka mitia ny namana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.