Mofon’aina – TALATA 03 OKTOBRA 2017

17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ ny Apostolin’ i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny;18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masina;21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindrampon’ i Jesoa Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;23 ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.
JODA 17-23

Taratasy  misy fananarana  ny fiangonana  sy ny kristiana  tsirairay  ao  aminy   ity. Tsy ankasitrahan’ny  Tompo  ny hanaovantsika  ny fanaon’izao  tontolo  izao. Fa efa  vita  ny famonjena  nataon’i Jesoa  Kristy  ho antsika teo  amin’ny hazo fijaliana  ka aoka  hatao  ny fivavahana   ao  amin’ny Fanahy Masina .

1-Mahatahiry  ny fitiavan’ Andriamanitra 

« Fa ianareo  kosa , ry malala dia ataovy izay  handrosoanareo  amin’ny finoana  masina  indrindra » (and 20a).Rehefa  mahatsiaro  ny hafatry  ny Tompo   isika  ka mahatandrina  ireo didiny  dia  manatanteraka  ny firosoana  amin’ny finoana  izany . Fa lehibe  ny fitiavan’ Andriamanitra  antsika  ka nanomezany an’i Jesoa Kristy  ho Mpamonjy antsika. Izy  no naniraka  ny Fanahy Masina hitarika antsika hivavaka mandrakariva. Aoka handeha araka  ny Fanahy isika ka tsy hisakaiza  intsony amin’izao  tontolo izao    . Ny Fanahy masina nomeny no nampidinany  ny fitiavany ao am-pontsika (Rom 5 :5).

2- Mahafaka ny sasany kosa 

« Ary amindrao  fo ny sasany kosa  » (and 22) .Isika mahatsapa  ny famonjena  nataon’i Jesoa Kristy ho antsika ho vavolombelon’ny fivavahana ao amin’ny Fanahy Masina. Araka izany dia mandidy antsika mba hitondra ny famonjeny  ho an’ny hafa koa Izy. Maro  ny fanomezam-pahasoavana  nomeny  antsika ho entina  manatanteraka  izany. Koa aoka  hazoto  sy handeha  amin’ny fitiavana  izay nitiavan’i Kristy  antsika isika rehetra nametrahany  izao teny izao.

Fanontaniana:

Inona  no nataonao  handraisan’ny hafa  ny  famonjena nataon’i Jesoa  Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !