Mofon’aina – TALATA 04 APRILY 2017

20 izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa,22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana, izay tenany
EFESIANA 1 :20-22

I JESOA KRISTY  MANAPAKA  NY ZAVATRA

 Misaotra an’ Andriamanitra ny Apostoly Paoly  noho  ny fiorenan’ny Fiangonan’i Kristy  tao Efesosy .

1-I Jesoa Kristy  natsangana tamin’ny maty

Andriamanitra manangana  ny maty ny Andriamanintsika. I Jesoa Kristy  no santatra  amin’ny fitsanganan’ny maty. Izy  no fanantenan’ny mino  ka mandalo  avokoa  ny fahoriana sy ny figadrana  mahazo ny kristiana  noho ny fananarana  sy finoana  an’i Kristy. Lehibe  sy mahery  Andriamanitra (and 19) ary  ao amin’i Kristy  no isitrihantsika izany fitsanganana izany  (and 20).

2-I Jesoa Kristy  mitoetra  eo an-kavanan’ Andriamanitra

Rehefa  natsangana  i Jesoa Kristy  dia nampiakarina ho any an-danitra. Izany  dia fanambaran’ Andriamanitra  fa ny olombelona  mino an’i Kristy  dia ho tahaka Azy koa no hioakarany any an-danitra. I Kristy  no santatra  amin’izany natsangana tamin’ny maty. Mandray  ny fahefana  sy ny hery Izy. Tahaka izany koa izay  mino Azy, handray ny hery  sy ny fahefana  ka tsy  hanan-kery aminy ny fahafatesana sy ny ota.

3-I Jesoa Kristy  lohan’ny Fiangonana

I Jesoa Kristy  no Tompo  manapaka izao rehetra  izao, dia ny ety an-tany  sy ny any an-danitra. Nataony ho an’ny Fiangonana  ny zavatra rehetra  ary Izy  no manapaka  ny zavatra rehetra  ho an’ny Fiangonany. Izany no iantsoana ny Fiangonana hoe: « Fiangonan’i Jesoa Kristy ». Izy  no mampikambana sy manapaka ny mpino  ho iray.

Fanontaniana:

Iza no tena manapaka eo  amin’ny fiangonana misy anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !