MOFON’AINA TALATA 04 DESAMBRA 2018

1 Taorian’izany, dia nisy hoatra ny feo mafy navoakan’olona maro tany an-danitra, reko nanao hoe: «Haleloià! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’ilay Andriamanitsika; 2 fa mahitsy sy ara-drariny ny fitsarana ataony, satria Izy efa nanameloka ilay vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangàny, ary efa namaly azy noho ny ran’ireo mpanompon’Andriamanitra efa nalatsany.» 3 Dia niteny indray ireo hoe: «Haleloià! Fa miakatra mandrakizay mandrakizay ny setroka avy amin’ny fandoroana an’i Babilôna!» 4 Tamin’izay ny *loholona 24 sy ny zava-miaina efatra dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ilay sezafiandrianana, ka nanao hoe: «Amen! Haleloià!»5 Dia nisy feo nivoaka avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Derao ny Andriamanitsika, ianareo rehetra mpanompony sy ianareo manaja Azy, na ny kely na ny lehibe!» 6 Ary nisy hoatra ny feon’olona maro, sy hoatra ny firohondrohon’ny ranobe, ary hoatra ny kotro-baratra mipoaka mafy, reko nanao hoe: «Haleloià! Fa ny Tompo Andriamanitsika, ilay Tsitoha, dia efa nandray ny Fanjakàny! 7 Aoka isika hifaly sy hiravo ary hanome voninahitra Azy, satria tonga ny fampakaram-badin’ilay Zanakondry; ary efa niomana ny vadiny, 8 ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin’ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany.» (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon’ny asa ara-drariny vitan’ny vahoakan’Andriamanitra).9 Tamin’izay dia nisy anjely nanao tamiko hoe:–Soraty! Sambatra izay voaantso amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanakondry!Ary hoy koa ny anjely tamiko:–Teny marim-pototra avy amin’Andriamanitra ireo!10 Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe:–Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy!Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.
APOKALYPSY 19 : 1-10

Misongadina ato amin’ity Apok 19 ity indray ny endriky ny fitiavan’ny Tompo antsika sy izay miandry antsika eo anatrehan’izany.Tena tia antsika ny Tompo ka

1- Mendrika hoderaina sy asandratra avo ny Anarany

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ato amin’ny Apok 19 ihany no ahitana hoe: « Haleloia » izay hita matetika kosa ao amin’ny Salamo. Ny heviny dia ny hoe: Miderà an’Andriamanitra! Miverina in’efatra io teny io eto: And 1, 3, 4, 6. Rariny ny fiderana ny Tompo fa Izy no miady ho antsika, mandresy ny asan’ilay ratsy, tsy mamela ho very maina ny ràn’ireo martiora ka mitondra any amin’ny fanasana masina ireo olom-boavotra. Miara-dalana amin’ny fiderana ny firavoravoana, ny fifaliana ary ny fanomezam-boninahitra. (And 6, 7).

2- Izy irery ihany no iankohofantsika

Andriamanitra ihany no ivavaho (And 10). Fitaovana ihany ny mpampita ny hafatry ny Tompo. iraka ihany ireny fa misy fetra ny fahefana sy ny fanindrahindrana fìrehana sy tsangan’olona. Hoy ny Eks. 20, 5 hoe: Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy, fa Jehovah Andriamanitra dia Andriamanitra saro-piaro … Izay rehetra manakona ny voninahitry ny Tompo dia tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra hentitra mba ahitana fìfaliana amin’ny fanompoana, na tsangan’olona na kisary na fombafomba na fahazaran-dratsy samihafa.

Fanontaniana:
Hita taratra fa misy zavatra hafa omen’ny olona lanja mihoatra ny Tompo, mety ho inona izany aminao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !