MOFON’AINA TALATA 04 FEBROARY 2020

1. Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. 3. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5. Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy] 6. Nisy lehilahy nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany. 7. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny. 8. Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
JAONA 1 : 1-8

NY FAHA-IZY-AN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Jaona Apostoly raha manomboka ny fitantarany an’i Jesoa dia nanomboka izany amin’ny fomba miavaka tsy mba toa azy telo lahy mpanoratra ny filazantsara. Izy telo lahy dia nanome lanja ny lafiny ara-tantara raha nitantara an’i Jesoa. Ny an’i Jaona kosa ny lafiny teôlôjika. Eto dia mazava tsara ny maha-izy azy ny tenin’Andriamanitra

  1. Tonga nofo tao amin’i Jesoa ny tenin’Andriamanitra (and 1, 2,14)

« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra… ary ny Teny tonga NOFO ka niara-nonina tamintsika »

Ny Teny eto dia persona no hilazana azy. Tsy zavatra fa tena persona iray. Manondro an’i Jesoa izay efa tao amin’Andriamanitra, efa niaraka tamin’Andriamanitra hatramin’izay. Tena Andriamanitra ny Teny. Tsy iza izany fa Jesoa. Mahery Andriamanitra fa hainy ny mahatonga ho nofo ny Teniny. Azo antoka sy azo itokiana ny tenin’Andriamanitra fa vitany ny mahatonga nofo izany. Tsy teny manidina na misavaon-danitra fa tena mivaingana sy azo tsapain-tanana. Matokia an’Andriamanitra, matokia ny Teniny, matokia an’i Jesoa.

  1. Miasa (and 3, 4)

Roa no asan’ny tenin’Andriamanitra eto

a- mahary: « Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza »

Noho ny teniny dia afaka nahary izao rehetra izao Andriamanitra. Nahary izao rehetra izao niainga avy tamin’ny tsy nisy, nahary zavatra tsara teto amin’izao tontolo izao. Nanampy an’Andriamanitra nahatanteraka araka ny tokony ho izy izao rehetra izao ny Teniny. Maneho amintsika izany fa afaka mahary fiainam-baovao ho antsika amin’ny alalan’ny teniny, mahary zava-baovao eo amin’ny fiainantsika Jesoa.

b- manome fiainana: « Izy no nisiam-piainana »

Noho ny tenin’Andriamanitra dia tonga nisy aina ny zava-boahary rehetra noharian’Andriamanitra. Nanome fofonaina mahavelona ny tenin’Andriamanitra. Raha tsy teo ny tenin’Andriamanitra dia blogan-javatra tsy nisy aina ny zavatra rehetra teto amin’izao tontolo izao. Afaka mamelona ny maty rehetra Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny. Afaka manome aina izao rehetra izao. Nasehon’i Jesoa tamin’Izy teto an-tany io hery sy fahefan’ny tenin’Andriamanitra mamelona io satria na ny maty aza natsangany (Lazarosy).

Azo itokiana ny tenin’Andriamanitra fa sady mahary fiainam-baovao no mamelona sy manome aina. Koa aoka homena sehatra eo amin’ny fiainantsika an-davanandro.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.