Mofon’aina – TALATA 04 JOLAY 2017

36 Koa aoka ho fantatry ny taranak’ Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
ASAN’NY APOSTOLY 2 :36-39

NY ANDRAIKITRY NY IRAKA VAVOLOMBELONA

Nandray hery avy amin’ny Fanahy Masina ireo mpianatry ny Tompo izay niara-niangona tamin’ny andro Pentekosta, ka dia niteny tamin’ny fiteny samihafa izy rehetra, araka ny nampitenenan’ny Fanahy azy (Asa 2 :4). Ny olona izay efa nandray ny Fanahy masina no afaka hijoro ho vavolombelona , ka ny laharam-pahamehany dia izao ihany :

1-Mitory an’i Jesoa Kristy Tompo

Indraindray ny fiangonana dia mahatsiaro ho be andraikitra sy be adidy eo an-toerana, ary mety ho variana amin’ny asa fanitarana sy ny fanaovana fotodrafitrasa samihafa. Tsy lazaina ho misy tsy mahamety azy akory izany, fa izay ampitandremana eto dia izao : sao dia « malaza ho be raharaha ka ny voly vary indray no tsy vita ». Tsarovy fa ny andraikitra voalohany apetraky ny Tompo amintsika dia ny hitory sy hanambara amin’ny olona rehetra fa Jesoa Kristy irery ihany no Tompo. Izy no ilay voantson’ Andriamanitra ho Mesia sy ho fanavotana ho an’izao tontolo izao. Ny hitaona ny olona rehetra hanompo Azy no andraikitra lehibe tsy maintsy vitaina mandra-piaviny indray.

2-Mitaona ny olona ho amin’ny fibebahana (and 38)

Maro amin’ireo antokom-pivavahana no manana tanjona hitaona ny olona ho any amin’izy ireny. Mety hataony mivantana izany, na koa ankolaka. Ataony avokoa izao endrika fanaratsiana samihafa izao mba hialan’ny olona amin’ny fiangonana izay efa nisy azy ka hifindran’ireny ho any aminy. Ny tena andraikitry ny iraka vavolombelona dia mitaona ny olona hibebaka ka hanatona an’i Jesoa, ary koa ny mandresy lahatra azy mba hatao batisa amin’ny Anarany .

Fanontaniana:

Efa mba nitaona olona hibebaka sy hatao batisa ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !