Mofon’aina – Talata 05 janoary 2016

1 Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka izy, dia, indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo;2 fa sosotra izy noho ny nampianaran’ ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin’ ny alalan’ i Jesoa ny fitsanganana amin’ ny maty.3 Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-trano-maizina ambara-pahamarain’ ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’ izay.4 Kanefa maro tamin’ izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan’ ny lehilahy.5 Ary nony maraina ny andro, dia niangona tany Jerosalema ny mpanapaka sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna6 sy Anasy mpisoronabe sy Kaiafa sy Jaona sy Aleksandro mbamin’ izay rehetra mety ho havan’ ny mpisoronabe.7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?8 Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,9 raha adinina izahay anio ny amin’ ny asa tsara natao tamin’ ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’ i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo.11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro [Sal. 118. 22] .12 Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
ASA 4:1-12

Nisy vanimpotoana, tany Madagasikara vao tsy ela izay, nivoahan’ny fanadihadiana nataon’ny sehatra tsy miankina iray momba ny sehatra heverin’ny vahoaka hoe sehatra toy inona no anisan’ny voakasiky ny kolikoly indrindra ? dia anisan’izay voakasik’izany ny sehatry ny fitsarana, hany ka toa zary fandre eny fa na dia amin’ny molotry ny mpino aza indraindray fa ny eny amin’ny fitsarana dia ny mpanam-bola sy manam-pahefana hatrany no tsy maintsy mandresy , fa mba mitandrema. Tsy izany anefa no tao an-tsain’ny mpianatra fa amin’izy ireo ny Tompo dia miasa

1- Asa manan-kery amin’ny fitsaran’ny tany ( and 1-10)

Tena mahavariana ny fahasahian’ireto mpianatra ireto satria efa voasambotra izy ireo ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika mihitsy aza , ka tokony hitady izay valiteny mahafalifaly ny mpitsara mba hahafaka haingana. Tsy izany anefa no nataony , fa rehefa nandray ny Fanahy Masina izy ireo dia natoky ny asan’Andriamanitra amin’ny fitsaran’ny tany ka sahy nanazava ho fahefana avy aiza na anarana manao ahoana no nananany fahasahiany manasitrana sy mitoriteny toy izao. Mety misy amintsika ny manana raharaha eny amin’ny fitsarana ankehitriny, na eny amin’ny sehatra mitovitovy laza aminy : Matokia ny Tompo fa efa naneho ny asany Izy na dia amin’ny fitsaran’ny tany aza.

2- Fitsarana itoriana ny Filazantsara ( and 11-12)

Raha heverina ho sehatra hiarova-tena ny fitsaran’ny tany dia tena nampisehon’ny Apostoly kosa fa tena sehatra itoriana ny Filazantsara kosa izany amin’izy ireo. Nambarany teo amin’ny mpitsara sy ny mpanapaka fa Jesoa Tompo irery ihany no hany mpamonjy , fa tsy misy anarana hafa , araka izay efa nolazain’ny Mpaminany rahateo.

Fanontaniana

Sehatra aiza avy no ahasahiantsika mitory an’i Kristy ? fitsarana , fianarana ,asa…
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !