Mofon’aina – TALATA 05 JIONA 2018

1 Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin’ ny aiko ny rano.2 Milentika amin’ ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.3 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’ Andriamanitro aho.4 Maro noho ny volon-dohako ny isan’ izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.5 Andriamanitra ô, Ianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.6 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
SALAMO 69 : 1-6

MANAFAKA AMIN’NY FAHORIANA NY TOMPO

Ity Salamo ity dia mampiseho ny fitarainan’ny olona izay tra-pahoriana mafy. Milaza amintsika izany fa mety hiharam-pahoriana na fitsapana mahamay tokoa isika noho ireo fahavalo, na dia efa nanolo-tena ho an’ny Tompo aza. Inona àry no tokony hatao manoloana izany?

1- Ambarao amin’ny Tompo izay manjo antsika

Tsy mahavonjy tena intsony izy. Ny mitanisa ny fahavoazany sisa no azony natao: « Milentika amin’ny fota-mandrevo aho sady tsy mahita izay hifaharana… maimay ny tendako, pahina ny masoko, mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana… mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy » (and. 2-5 DIEM) Betsaka amin’ny olona no iharam-pahavoazana mafy tahaka ny mpanao salamo eto. Saingy vitsy kosa no mahatsiaro hiantso an’Andriamanitra amin’izay mahatery azy. Antsoy Jesoa hanafaka ny fahoriana.

2-Manetre tena eo anatrehany (and. 6)

Na dia noho ny ataon’ny fahavalo aza no anton’izao fahavoazana manjo ny mpanao Salamo izao dia tsy mba nanamarin-tena teo anatrehan’ny Tompo izy. Toe-tsaina mpahazo ny maro ny fanamarina-tena sy fanomezan-tsiny ny hafa rehefa misy zava-mitranga. Miharihary eo anatrehan’ny Tompo ny momba antsika rehetra, hatramin’izay heverintsika ho miafina indrindra aza. Manetre tena tahaka ny mpanao Salamo, manao hoe: « Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao » (and. 6)

Fanontaniana:

Maro amin’ny Malagasy no manompo an’Andriamanitra sady  mbola mivavaka amin’ny razana. Inona no antony?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !