MOFON’AINA TALATA 05 NOVAMBRA 2019

27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondrantenanareo ho miendrika ny filazantsaran’i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa haharitra amin’ny fanahy iray hianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, 28 ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona; fa amin’ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’Andriamanitra. 29 Fa ianareo efa nomena noho ny an’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy, 30 dia manana izany ady izany hianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amoko ihany ankehitriny.
FILIPIANAL 1 : 27-30

KRISTIANINA NOMENA TOMBONTSOA

Ny Epistily ho an’ny Filipiana dia Epistilin’ny fifatorana no iantsoan’ny mpahay Baiboly azy. Paoly dia anisan’ireo ngezalahin’ny Testamenta Vaovao satria na dia tany am-ponja aza izy dia mbola nampahery ireo Kristianina ihany. Avy amin’izao mofonaina izao dia ambaran’i Paoly fa tena tombony lehibe ny maha-kristianina satria

  1. Ampiana ny mino hanana fitondrantena kristianina (and 27)

DIEM « izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Filazantsara momba an’i Kristy »

Rehefa tena dinihina izao tenin’i Paoly izao dia tsy tokony hoadinoina fa manampy hananana fitondrantena mendrika ny filazantsara. Noho ny filazantsara dia tonga mendrika ny mino, tonga mifanaraka amin’ny filazantsara ny fitondrantenany. Arak’izany rehefa tsy manana ny filazantsara ny mino dia tsy mendrika na oviana na oviana ny fitondrantenany. Ny filazantsara mantsy dia tsy inona fa filazana ny TSARA dia tsy iza izany fa Jesoa, filazana ny TSARA VITANY sy NATAONY. Ka izay rehetra mamaky izany dia tonga manana modely alain-tahaka, ary rehefa Jesoa no modely amin’ny zavatra rehetra dia tonga mendrika ny mino. Aza misaraka amin’ny Filazantsara arak’izany fa io no manampy hijoroana vavolombelona ka hananana fitondrantena mendrika.

  1. Omena modely hita maso halain-tahaka ihany (and 30)

« izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amoko ihany ankehitriny »

Raha ny marina, ny filazantsara dia mitantara an’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao, izay efa tsy hitantsika maso intsony. Ny famakiana ny Filazantsara amin’ny finoana no mahatonga antsika hahita indray an’i Jesoa. Amin’ny maha-olombelona antsika anefa dia mila mahita isika vao mino. Eken’Andriamanitra izany fahalementsika izany ka nahatonga Azy hanaiky haneho ny fahasoavany amin’ny alalan’ny Sakramenta. Tsy izany ihany fa tena mila olona hita maso koa ny mino, ka tamin’ny taonjato voalohany dia ireo Apostoly no niezaka naneho ny tenany ho modely halain-tahaka ho an’ny mino. Eto Paoly dia milaza fa misy zavatra tsy maintsy iaretan’ny mino toa izay hiaretany noho ny finoana an’i Jesoa. Asehon’i Paoly ho modely halain-tahaka ny tenany amin’ny fiaretana fahoriana mba tsy hahatonga ny mino ho kivy raha miaritra fahoriana koa izy. Izany rahateo no nahatonga an’i Paoly niteny hoe: « aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy » (1 Kor 11 : 1).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.