Mofon’aina – TALATA 05 SEPTAMBRA 2017

20 Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ ny Kaldeana; torio amin’ ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ ny faran’ ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba mpanompony.21 Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.22 Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
ISAIA 48:20-22

 Rehefa misy Firenena roa  miady ka resy na babo na lasa zanantany ny iray, dia amin’ny ankapobeny dia ilay mpanjanaka na ilay mpandresy no lasa mpanapaka sy mpananatra izay resiny, na lasa zanataniny. Eto kosa anefa dia  Isaia izay ao amin’ny firenena resy indray no mampianatra sy mananatra avy any ka sahy milaza satria:

1-Vavolombelona any amin’ny Firenena rehetra (and 20)

Avy any Babylona sy Kaldea tanin’ny Jentilisa sy mpanompo sampy no mbola ahasahian’ Isaia ihany mijoro ho vavolombelona, fa « Jehovah efa mpanavotra », tsy nijery ny herin’ireo firenena hafa nandresy azy izy , fa nanome fanantenana azy ireo kosa. Sahintsika Kristiana Malagasy ve ny milaza ny herin’Andriamanitra amin’ireo Sinoa, Karana …izay manana ny andriamaniny ? Izany  mantsy no iraka ampanaoviny antsika.

Rehefa vavolombelona any amin’ny firenena hafa dia inona no  lazaina?

2- Vavolombelona milaza fiadanana (and 22)

Nihevitra mantsy ireto Jentilisa ireto fa rehefa manana ny hery ara-tafika; sy ny vola sy ny fahefana izy ireo dia miadana. Saingy ahitsin’ny vavolombelona marina fa tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, fa i Jesoa ihany no loharanon’ny fiadanana. Mahalala olona marobe rahateo isika na eto Madagasikara na any andafy, manana volabe sy bika amana endrika sy laza ary fahefana be fa tsy niadana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !