MOFON’AINA TALATA 06 AOGOSITRA 2019

18 Ny hevitra rehetra dia aorin’ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady. 19 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin’izay mibedibedy foana. 20 Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin’ny alim-pito ny jirony. 21 Ny harena malaky azo foana [Na: mahamahimahina] eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany. 22 Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
OHABOLANA 20 : 18-22

NY OLONA MANDRESY AMIN’NY ADY

Anisan’izay fahendrena tsy mety lefy laza mandraka androany ny fahendren’ny Baiboly. Ny bokin’ny Ohabolana dia tena mitahiry maro amin’ireo fahendrena mahamendrika ny kristianina. Eto ny olon-kendry Hebreo dia manome toromarika ho enti-mandresy amin’ny ady. Hafatra roa no zarainy amintsika raha mamaky ny and 18 isika. Mandresy amin’ny ady izay rehetra

  1. Mahay mandamina tsara ny zavatra rehetra

« ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady »

Mahay mametrapetraka tsara ny zavatra rehetra amin’ny toerana tokony hisy azy no hevitra voalohan’izany tenin’ny olon-kendry izany. Rehefa amin’ny toerany avokoa mantsy ny zavatra rehetra dia manamora ny fomba ho enti-miasa, manamora ny fanatanterahana ny zavatra rehetra tokony hotanterahina izany. Fahaizana manao ny zavatra rehetra amin’ny fotoana mahamety azy koa no hevitra faharoa tian’ny olon-kendry ambara amin’izao andininy izao. Rehefa mifanaraka tsara amin’ny fotoana maha-mety azy ny zavatra rehetra dia mampirindra sy mampilamina ary indrindra indrindra mampahomby amin’izay rehetra atao sy tanterahina izany.

Mahaiza-mandamina ny zavatra rehetra ka aoka ho amin’ny toerana avokoa ny zavatra rehetra. Fa tsy izany ihany fa aoka ho amin’ny fotoana maha-mety azy avokoa ny zavatra rehetra. Izany dia tsy hahatampoka ny zavatra rehetra, ary hampandresy amin’izay mety ho fahasahiranana mety hahazo.

  1. Manana hevitra tsara hahatanterahana ny zavatra rehetra

DIEM « ny hevitra tsara no mahatanteraka ny fikasana »

Ny fahaiza-mandamina dia mitondra ho amin’ny filaminana. Ary rehefa milamina ny zavatra rehetra dia tony ny saina mandinika tsara ny zavatra rehetra. Rehefa manana hevitra tsara ihany koa dia mora ny manatanteraka ny zavatra rehetra. Sady manamora ny asa ny fahaiza-mandamina no mahatonga fitoniana eo am-piatrehana izay rehetra mety ho manahirana sy eo anatrehan’izay rehetra tanterahina.

Meteza arak’izao ho olon’ny filaminana mba hananana saina matsilo ho enti-manatanteraka izay rehetra tokony hotanterahina amin’ny fotoana maha-mety izany. Aoka ihany koa hanaiky hiara-miasa amin’Andriamanitra mandrakariva izay manome tolo-tsaina sy toromarika mahasoa ho enti-mahatanteraka tsara ny zavatra rehetra. Omen’Andriamanitra ny mino izany tolo-tsaina izany rehefa ao anatin’ny filaminana tanteraka izy. Tsy misy arak’izao olana ho voavaha raha toa ka ao anatin’ny korontana ny mino, tsy misy fahavalo ho resy raha tsy mipetrapetraka tsara avokoa ny zavatra rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.