Mofon’aina – Talata 06 desambra 2016

1 Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan’ i Maria sy Marta rahavaviny.2 Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin’ ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin’ ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’ i Jesoa hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.4 Ary rehefa ren’ i Jesoa izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra.5 Ary Jesoa tia an’ i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
JAONA 11 :1-5

ANTSOY I JESOA RAHA MISY MARARY

Narary i Lazarosy , anadahin’i Maria sy Marta , ka dia naniraka olona izy ireo hampahafantatra an’i Jesoa izany . Fianarana lehibe ho antsika sahady izany. Fianarana lehibe ho antsika izany fihetsik’izy mirahavavy izany. Rehefa misy marary na zava-manahirana dia i Jesoa no voalohany antsoina. Nilaza i Jesoa fa tsy hiafara amin’ny fahafatesana akory izany aretina izany fa:

1-Mba hampisehoana ny Voninahitr’ Andriamanitra

Nihaino ny fitarainana tonga teo Aminy tokoa ny Tompo ka mamaly vavaka. Tsy ho fahafatesana no anton’izao, hoy Izy. Eo anatrehan’ny Tompo dia tonga fampisehoana ny Voninahiny amin’izay mino sy matoky Azy ny aretina , araka ny nambaran’i Jesoa hoe: « …Raha mino hianao dia hahita ny Voninahitr’ Andriamanitra » (and 40 DIEM). Minoa fa efa nentin’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ny aretina sy ny hirifiry rehetra ary na ny fahafatesana aza dia efa resy. Omeo Voninahitra Izy.

2-Ho fankalazana ny Zanaka’ Andriamanitra

Hoy ny tohin’ny teniny hoe: « mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra » (and 4). Tsy havelany ho amin’ny fahafatesana mandrakizay izay miantso Azy. Mendrika hankalazaina tokoa i Jesoa, fa Izy no fananganana ny maty sy fiainana (and 25) . Eo amin’izay ankalazana an’i Jesoa no hanomezam-boninahitra marina an’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Rehefa misy marary , iza no antsoinao voalohany , ny dokotera ve sa i Jesoa ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !