MOFON’AINA TALATA 06 NOVAMBRA 2018

35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’ izay.37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.38 Ary na avy amin’ ny fiambenana faharoa amin’ ny alina izy, na avy amin’ ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ izay ora tsy ampoizinareo.
LIOKA 12 : 35-40

MIANDRY NY TOMPO ISIKA

1 – Miambena ny fiavian’ny Tompo amin’ny fahazavana

Tahaka ny mpampakatra avy amin’ny fampakaram-bady ny Tompo. Miandry azy amim-paharetana ny mpanompony. Mazava ny tanàna sy ny trano eo am-piandrasana ny mpampakatra. Tahaka izany ny kristiana miandry ny fiavian’i Jesoa Kristy. Miaina amin’ny fiainana mazava sy masina. Vavolombelon’i Jesoa Kristy eo anivon’izao tontolo izao. Efa nanala ny aizina sy ny fahotana : tsy mirona intsony amin’ny fiainan’izao tontolo izao. Tsy tampoka amin’ny mino ny fiavian’i Jesoa Kristy, raha efa vonona amin’ny faharetana sy ny fahamasinana izy. I Jesoa Kristy mihitsy no fahazavana ao anatiny.

2 – Miambena ny fiavian’ny Zanak’olona

Tsy misy mahalala ny fotoana ahatongavan’ny Zanak’olona eny amin’ny rahon’ny lanitra ( Mar 13 :32 ; Mat 24 :36). Izany fiaviany fanindroany izany dia miaraka amin’ny faran’izao tontolo izao. Tsy fantatry ny Zanak’Olona dia i Jesoa Kristy ny fotoana sy ny andro hiverenany. Mbola manohv ny fanompoany ny Zanak’ Olona ankehitriny any an-danitra. Omeny valim-pitia ny mpanompo miambina ny fiaviany sady mahatoky. Omeny toerana ao amin’ny fanjakany izy sady omeny fahavelomana mandrakizay. Ampitoerin’i Jesoa ao amin’ny fanjakany ny mino « ka hampipetraka azy hihinana ». Izv no mampisakafo azy ary hiara-manjaka aminy ireny ( Apok 3 :20 ;20 :6), fotoana fialana amin’ny torimasom-pahotana izao vanim-potoanan’ny ota eto amin’izao tontolo izao. Miambena tsara ho avy i Jesoa.

Fanontaniana :

Ahoana izany atao hoe : miaina amin’ny fahazavana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !