Mofon’aina – TALATA 07 AOGOSITRA 2018

3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,4 Izay mampionona anay amin’ ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ ny fampiononana izay ampiononan’ Andriamanitra anay.5 Fa araka ny haben’ ny fijalian’ i Kristy mihatra aminay no haben’ ny fampiononana anay kosa amin’ ny alalan’ i Kristy.6 Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin’ ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin’ izay entinay.7 Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.8 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;9 eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin’ ny tenanay, fa amin’ Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.10 Ary Izy no nahafaka anay tamin’ izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,11 satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ ny fivavahanareo mba hisaoran’ ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ ny nataon’ ny maro.
2 KORINTIANA 1 :3-11

ANDRIAMANITRY NY FAMPIONONANA NY TOMPO

1-Isaorana Andriamanitry ny fampiononana

Andriamanitry ny fiaretana sy ny fampiononana i Jesoa. Nitondra fahoriana ho famonjena izao  tontolo izao Izy .Fantany  sy niainany  ny herisetra hatramin’ny fahafatesana  teo  amin’ny hazo fijaliana. Natao  isaorana sy  ankasitrahana ny Tompo ny fisedrana sy ny herisetra atrehan’ny kristiana. Fampianarana raisintsika kristiana  ao amin’i Kristy, izay nijaly ho antsika(and 5). Koa raiso ho fifaliana sy  isaorana ny Tompo ny fahoriana mihatra amintsika mpino.

2-Miombom-pahoriana amin’ny fiangonana ny Apostoly

Ny  fitondram-pahoriana amin’ny fanarahana ny Tompo eo amin’ny fiangonana dia fandresena. Miombom-pahoriana amin’ny Tompo ny Apostoly ary mizaka fahoriana  noho ny amin’ny fiangonana. Mitovy lanja ny  fahoriana sy ny fiononana ho an’ny  mpino ka mitondra  fiadanana.

3-Miombom-pamonjena ny  mpanompon’ Andriamanitra 

Tsy  mijanona ho  fahoriana sy fijaliana mandrakariva ny fiainana kristiana. Manafaka sy  mbola hanafaka amin’ny fahafatesana ny Tompo. Ny asan’ny fiangonana amin’ny  fivavahana dia mitondra fisaorana ataon’ny maro (and 11). Ny asa fanompoan’ny  fiangonana dia mitondra ho amin’ny fankasitrahana sy fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra. Manomboka sy mifarana amin’ny fisaorana ny Tompo ity Soratra masina nodinihantsika ity. Ataovy izany na dia miatrika herisetra aza ny  mpino.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !